Malagasy : Session 2018

  • Accueil
  • /
  • Sujets type
  • /
  • Malagasy : Session 2018

BACCALAURÉAT DE L’ENSEIGNEMENT GÉNÉRAL

SESSION 2017

Série A ; Epreuve de : MALAGASY
Durée : 03 heures 30 minutes ; Coefficient : 4

N.B. : – Tsy maintsy atao ny laza adina I
– Isafidianana ny laza adina II

 

LAZA ADINA I : Tsy maintsy atao (Isa 6)

1 – Inona no maha-kanto an’ity ampahan-tononkalo ity ? (valiny telo)

“llay fasako, fasako ihany,
Fa ny foko dia fasana koa,
To no fasako ivelan’ny tany, .
lo no fasako iray, faharoa. :
J.J. RABEARIVELO, Amboara voafantina, tak.8

2 – Manomeza ohabolana na oha-pitenenana telo mikasika ny “aina” ary takaro avy amin’ izany ny hevitra fonosiny.

 

LAZA ADINA II : Isafidianana ny A sy ny B (Isa 14)

A ~- FAMAKAFAKAN-KEVITRA : .

Hoy ny mpandinika iray : “Amin’izao andron’ny fandrosoana izao, dia tsy ilaina intsony ny
mpanoratra fa mpandrebireby ny saim-bahoaka fotsiny.”
Fakafakao sy tsikerao.

B — FANADIHADIANA,_ LAHATSORATRA :

Manana izay heveriny ho zava-dehibe eo amin’ny fiainany ny firenen-tsamy hafa eto an-tany
ary miankina indrindra amin’ny fijeriny ny fiainana izany. Ka dia mba manana ny azy koa ny
Malagasy. Ary araka ny fijeriny ny fiainana, dia “ny fanahy” ny azy no itarafany ny “maha-olona.”
Fa hoy izy raha milaza izany : “ny fanahy no olona” na “ny fanahy no maha olona’”.

Kanefa tsy ireny “fanahy” voalazan’ pny mpivavaka ireny loatra aloha no ao an-tsainy amin’ity
hoe “Fanahy no olona “ ity. Fa ny tiany holazaina amin’ izany dia ny fomba amam-pitondran-tena, ny
fifandraisana amin’ny namana, ny fihetsika aseho vahoaka, ny toetra araka izay hahitan’ny mpiara-
monina azy. Amin’ny Malagasy dia izany fihetsika sy fomba amam-panao izany no mahaolona na
sanatriavina mahabiby. ‘

Koa raha misy manana toetra tsara sy maha te hidera dia izany olona izany no dokafany ho
“tena olona” iny. Fa raha misy kosa olona tsikariny sady hitam-poko, hitam-pirenena fa tena manana
fihetsika sy fitondran-tena mamoafady dia tsy mihambahamba akory ny Malagasy manondio azy ho
“biby iny fa tsy olona”. Izany no mampiseho fa tena zava-dehibe amin’ny Malagasy mihitsy ity toe-
panahy ifandraisana amin’ny namana ity.

FETY Michel, in. Fanabeazana sy fiainam-pirenena, 1972
Hadihadio io lahatsoratra io.