MINISTÈRE DE L’ENSEIGNEMENT SUPÉRIEUR ET DE LA RECHERCHE SCIENTIFIQUE
Direction de l’Enseignement Supérieur Public et Privé — Service d’Appui au Baccalauréat
Session 2017 — Série A
| Épreuve : MALAGASY | Coefficient : 4 |
| Durée : 03 heures 30 |
N.B. : – Tsy maintsy atao ny laza adina I – Isafidianana ny laza adina II LAZA ADINA I : Tsy maintsy atao (Isa 6)
1 – Omeo ny anjara asa sahanin’ny literatiora eo amin’ny fiaraha-monina. (valiny telo)
2 – Milazà antony telo (3) mahatonga ny olona tsy maintsy mifandray.
LAZA ADINA II : Isafidianana ny A sy ny B (Isa 14)A- FAMAKAFAKAN-KEVITRA
Hoy ny mpandinika iray : “Firenena niantehitra mafy dia mafy tamin’ny marina sy ny rariny ny Malagasy”. Fakafakao sy tsikerao.
B- FANADIHADIANA LAHATSORATRA
NY DIAM-PENIKO
| Ny diam-peniko no ainaVaovao hoentinao Hitady indray ilay marainaToy ny efa hadinonao | |
| Ny diam-peniko no angady Hitrandrahanao ny tany, Ho basy entinao miadyAmin-toloko sy tomany. | |
| Ny diam-peniko no ando .Hamonto ny fonao Efa sasatra nitiaSy diso fanantenana. | |
| Ny diam-peniko no hiandry Sy hamefy anao tsy hihoatraNy valan’fiy fiainanaRaha tany koa ny tany. |
Zo Maminirina in Amboaran-tononkaloFaribolana Sandratra, tak. 28Hadihadio.