BACCALAURÉAT DE L’ENSEIGNEMENT GÉNÉRAL
SESSION 2017
Série A ; Epreuve de : MALAGASY
Durée : 03 heures 30 minutes ; Coefficient : 4
N.B. : – Tsy maintsy atao ny laza adina I
– Isafidianana ny laza adina II
LAZA ADINA I : Tsy maintsy atao (Isa 6)
1 – Omeo ny anjara asa sahanin’ny literatiora eo amin’ny fiaraha-monina. (valiny telo)
2 – Milazà antony telo (3) mahatonga ny olona tsy maintsy mifandray.
LAZA ADINA II : Isafidianana ny A sy ny B (Isa 14)
A- FAMAKAFAKAN-KEVITRA
Hoy ny mpandinika iray : “Firenena niantehitra mafy dia mafy tamin’ny marina sy ny rariny ny Malagasy”. Fakafakao sy tsikerao.
B- FANADIHADIANA LAHATSORATRA
NY DIAM-PENIKO
| Ny diam-peniko no aina Vaovao hoentinao Hitady indray ilay maraina Toy ny efa hadinonao |
|
| Ny diam-peniko no angady Hitrandrahanao ny tany, Ho basy entinao miady Amin-toloko sy tomany. |
|
| Ny diam-peniko no ando . Hamonto ny fonao Efa sasatra nitia Sy diso fanantenana. |
|
| Ny diam-peniko no hiandry Sy hamefy anao tsy hihoatra Ny valan’fiy fiainana Raha tany koa ny tany. |
Zo Maminirina in Amboaran-tononkalo
Faribolana Sandratra, tak. 28
Hadihadio.