Malagasy : Session 2016

  • Accueil
  • /
  • Sujets type
  • /
  • Malagasy : Session 2016

BACCALAURÉAT DE L’ENSEIGNEMENT GÉNÉRAL

SESSION 2016

Série C-D ; Epreuve de : MALAGASY
Durée : 03 heures 15 minutes ; Coefficient :4

 

LAZA ADINA I (tsy maintsy atao)

1°)-Manomeza tara-kevitra telo nisongadina tamin’ny vanim-potoana “literatiora fiforetana anaty”

2°)-Milaza antony telo maneho fa tsy maintsy mifandray amin’ny hafa ny olombelona.

LAZA ADINA II: (Isafidianana ny Asy B)

A-FAMAKAFAKAN-KEVITRA 

Hoy ny Ntaolo : Zanahary tsy maintsy mandray 

Fakafakao 

B-FANADIHADIANA LAHATSORATRA

-ZEFA :sssh! Avelao any fa efa tsy anjarako…Efa totoim-bitana mihitsy izefa Nalana tamin’ny asany …mitady asa tsy mahita …nony nahita afera,rava ho azy!…tsy mety daholo izay atao …Ratsy vitana …efa voan’ny ozin-drazana mihitsy!

-SETRA:tsy marina izany ry dada a!

-ZEFA:(ohatra ny mitomany )

-izany letsy no izy a! izany no tena marina …tontoim-bitana…Izaho no mba anajrako…Vintan-dratsy…..efa  voaozona!…..Mila hamboarina mihintsy ity vintako ity….hanatona izay olona mahay manamboatra azy isika.

SETRA:Tsy hisy vokany izany , ry dada a!… Zavatra hafa no antony.Ny antony dia tsy avy amin’ny vitan-dratsin’I dada, fa avy amin’ny fairaha-monina misy antsika mbola anjakan’ny mpangoron-karena vaventy sy madinika.Maro amin’ireny no tsy mankasitraka ny hisian’ny rariny sy ny hitsiny ho an’ny olon-drehetra satria tsy misy hanangonany ho azy samirery sy ny fianakaviany intsony (…).Manaraka izany, vintan-dratsin’I dada ve no nanalana an’i Dada tamin’ny orinasa? Voalaza fa hoe noho ny akoran-javatra.Ny tsy fisian’ny akoran-javatra dia mety ho avy amin’ny tsy fananantsika vola hividianana azy. Na mety ho isika tsy mamokatra firy (…)

ILAY , Mpikantsaka ny fiadanana 

Hadiadio io lahatsoratra io.