Malagasy : Session 2015

  • Accueil
  • /
  • Sujets type
  • /
  • Malagasy : Session 2015

MINISTÈRE DE L’ENSEIGNEMENT SUPÉRIEUR ET DE LA RECHERCHE SCIENTIFIQUE

Direction de l’Enseignement Supérieur Public et Privé — Service d’Appui au Baccalauréat

BACCALAURÉAT DE L’ENSEIGNEMENT GÉNÉRAL

Session 2015 Série A

Épreuve : MALAGASY Coefficient : 4
Durée : 03 heures 30

N.B. : – Tsy maintsy atao ny laza adina I – Isafidianana ny laza adina IILAZA ADINA I : Tsy maintsy atao  (Isa 6)1°) Milazà mpandray anjara mpanampy telo (3) ao amin’ny tantara foronina vakivakim-piainana nosoratan’i Iharilanto Patrick Andriamangatiana.2°) Manomeza ohabolana telo (3), ka :

  • Iray momba ny tsiny.
  • Iray momba ny tody.
  • Iray momba ny vintana.

LAZA ADINA II : Isafidianana ny A sy ny B (Isa 14)FAMAKAFAKAN-KEVITRA :Hoy RANDRIAMAROLAZA Louis Paul: “Ny anjaran’ny olona amin’ny ankapobeny dia miankina amin’ny tenany ihany ”.Fakafakao sy tsikerao.FANADIHADIANA LAHATSORATRA :

Ny mpanoratra dia mpanabe sady mpampianatra. Noho izany, tompon’andraikitra amin’ny fanolokoloana ny sain’ny Malagasy izy. Koa mampahatsiahy azy ireo izahay hoe efa mba voafaritrao poeta, ianao mpanoratra ve ny sakafon-tsaina natolotrao ny Malagasy ? Anananao andraikitra izany.

Zava-bahiny tsy antonona ny toe-batany no nasainao nateliny ka mankarary ny ambavafony, ianao anefa tsy mety hitrandraka zava-malagasy mampangetaheta azy.

Impiry ianao no nieritreritra fa ny tsy fahaizana mandanjalanja avy aminao no mety mamorika ny sain’ny Malagasy, izay efa miharatsy rahateo ? lanao poeta, ianao mpanoratra, lalana mankaiza no isarihanao ny sain’ny Malagasy ?

lanao no mpitari-dalana ka tsy ny fanafoanana izay efa tsara akory no fanagasiana, fa ny fanandratana izay maha Malagasy eo amin’ny toerana avo…

RanoëFifandraisana sekoly FJKM n02 – FihavananaHadihadio io lahatsorafra io.

CORRIGE COMPLET

FAMINTINANA (Resume)

Fomba fiasa

Ny famintinana dia tokony ho 1/4 ny halavan ny lahatsoratra. Vakio tsara. Fantaro ny hevitra fototra. Avereno amin ny teninao.


FANAZAVANA LAHATSORATRA

Fampidirana: lohateny, mpanoratra, foto-kevitra. Votoaty: famakafakana ny hevitra. Famaranana: famintinana sy hevitra manokana.


LAHATSORATRA

Tantara: mitantara zava-nitranga. Famaritana: mamaritra toerana na olona. Adihevitra: manohana na manohitra hevitra.


FITENENANA

Matoanteny: atao, natao, hatao, ataovy. Mpamari-toerana: eto, ao, any. Tambinteny: -ko, -nao, -ny.