BACCALAURÉAT DE L’ENSEIGNEMENT GÉNÉRAL
SESSION 2015
Série A ; Epreuve de : MALAGASY
Durée : 03 heures 30 minutes ; Coefficient : 4
N.B. : – Tsy maintsy atao ny laza adina I – Isafidianana ny laza adina II
LAZA ADINA I : Tsy maintsy atao (Isa 6)
1°) Milazà mpandray anjara mpanampy telo (3) ao amin’ny tantara foronina vakivakim-piainana nosoratan’i Iharilanto Patrick Andriamangatiana.
2°) Manomeza ohabolana telo (3), ka :
LAZA ADINA II : Isafidianana ny A sy ny B (Isa 14)
– FAMAKAFAKAN-KEVITRA :
Hoy RANDRIAMAROLAZA Louis Paul: “Ny anjaran’ny olona amin’ny ankapobeny dia miankina amin’ny tenany ihany ”.
Fakafakao sy tsikerao.
– FANADIHADIANA LAHATSORATRA :
Ny mpanoratra dia mpanabe sady mpampianatra. Noho izany, tompon’andraikitra amin’ny fanolokoloana ny sain’ny Malagasy izy. Koa mampahatsiahy azy ireo izahay hoe efa mba voafaritrao poeta, ianao mpanoratra ve ny sakafon-tsaina natolotrao ny Malagasy ? Anananao andraikitra izany.
Zava-bahiny tsy antonona ny toe-batany no nasainao nateliny ka mankarary ny ambavafony, ianao anefa tsy mety hitrandraka zava-malagasy mampangetaheta azy.
Impiry ianao no nieritreritra fa ny tsy fahaizana mandanjalanja avy aminao no mety mamorika ny sain’ny Malagasy, izay efa miharatsy rahateo ? lanao poeta, ianao mpanoratra, lalana mankaiza no isarihanao ny sain’ny Malagasy ?
lanao no mpitari-dalana ka tsy ny fanafoanana izay efa tsara akory no fanagasiana, fa ny fanandratana izay maha Malagasy eo amin’ny toerana avo…
Ranoë
Fifandraisana sekoly FJKM n02 – Fihavanana
Hadihadio io lahatsorafra io.