BACCALAURÉAT DE L’ENSEIGNEMENT GÉNÉRAL
SESSION 2015
Série C-D ; Epreuve de : MALAGASY
Durée : 03 heures 15 minutes ; Coefficient :4
LAZA ADINA I: Tsy maintsy atao
1 – Mitanisà taratra forononina telo (03) nosoratan’ i I.P.A
2- Manomeza adidy telo (03) ataon’ny velona amn’ny razana
LAZA ADINA II:
A- FAMAKAFAKAN-KEVITRA:
Hoy ny oha-pitenenana: “Ny aina tsy ananam-piry”
Fakafakao
B- FANADIHADIANA LAHATSORATRA
Ny eritreiritra
Ny manam-panahy no natiana eritreritra. ary rehefa rnanim-panahy tsy misy afaka amin’ny eritreritra. Fa ny fieritretana izay inian-kato no fanahy. ka vonoy ny fanahinao raha tianao ho faty aminao ny eritreritra. Minia manao tsy maintsy , voaeritreritra izany. Toy ny aloka tsy miaIa aminao ny eritreritrao. Ny zava-mitranga ao anatinao fotsiny (fialonana na fanigorahana, ranirian-dratsy na fientanam-po hivavaka…), na fihetsika ivelany saingy miafina amin’ny olona (fihatsarambelatsihy na fahafihinam-bava, fanendrikendrehana na fahafoizan-tena … ) takona sy miery amin’ny manodidina anao izany, fa miharihary amin’ny eritreritrao.
Ka na tsy misy valiny soa na ratsy eo no ho eo aza avy ety iveIany. ny eritreritrao ihany no efa mamaly anao ao anatinao: melohiny tsy ampandriany mandray ianao raha minia amin’ny ratsy, ary derainy sy omeny toky raha minia amin’ny tsara Valin’ny natao tsy azo foanana.
Mahatalanjona io eritreritra io. Maso mihatra amin’ny maizina, feo manakoako amin’ ny mangina, hany mpitsara tsy mizaha tavan’olona. fa tsy mena-maso ary azo tsy fitahina. Tahotry ny ratsy fanahy tsy azony difiana ary fanantenan’ny tsara fanahy tsy azo alana aminy.
/ R.P RAHAJARIZAFY Antoine,
FiIôzfia Malagasy tak. 68-69
Hadihadio io Iahatsoratra io.
LAZA ADINA I:
I- Tantara forononina telo (03) nosoratan’ I I.P.A:
2- Adidy telo (03) ataon’ny velona amn’ny razana:
LAZA ADINA II:
A- FAMAKAFAKAN-KEVITRA:
Lohahevitra : Inona no tian’ny mpanoratra hambara ?
Foto-dresaka : Mikasika ny aina
Teny manan-danja :
– Ny aina : Fanomezana avy amin’Andriamanitra sady tokana
Fotokevitra : ny maha sarobidy ny aina
Drafitra : Tokana ny aina ka tokony ho tandremana
| Reny Hevitra | Zana-kevitra | Porofo-kevitra |
| Lahy tokana ny aina | – Ny hasarobidin’ny aina eo amin’ny Malagasy ;
– Ny toetran’ny aina ; |
« Ny aina dia fototrin’ny fahavelomana eo amin’ny zava-boary manana aina rehetra »
« Ny aina tsy ananam-piry » |
| Tokony ho tandremana ny aina | – Ny adidin’y tsirairay manolona ny ainy ;
– Ny adidin’y tsirairay manoloana ny taranaka ; |
«Raha ho faty ny havana, matesa ny omby fa raha ho faty ny tena, matesa rahavana»
« Ny iterahan’ny olona ho solony » |