BACCALAURÉAT DE L’ENSEIGNEMENT GÉNÉRAL
SESSION 2014
Série A ; Epreuve de : MALAGASY
Durée : 03 heures 30 minutes ; Coefficient :4
Laza Adina I : Fanontaniana
Inona avy izy ireo?
Laza Adina II: Isafidianana ny A sy ny B
A- Famakafakan-kevitra
Hoy ity mpandinika iray: “Ny Literatiora! … mitaiza ny olona ho any amin’ny tontolon’ny nofinofy”. Fakafako sy tsikerao.
B- Fanadihadiana Lahatsoratra
Na niolaka atsy na nivadika aroa, mitotototo foana ilay fanahin’ny Malagasy nila vonjy sy fitahiana, fa ny farany tokin’Andriananahary ihany! (…) tsy afaka tamin’ny eritseriny na oviana na oviana Andriananahary. Zovy moa no afa-mihodivitra amin’Andriananahary? Mamono eritseritra ny firenena mihambo sy mivavaka aminy: mitady tsy olona ireny, fa manao azy Andriamanitra angamba no ho biby? Fantatro anefa fa tsy izay adala minia mikipy no mahafoana iry masoandro iry; ary tazano fa ireo miavona manao tsy hivavaka aminy ireo indrindra no midi-kizo amin’ny finoanoam-poana maizina sy mahatsikaiky.
Raha Malagasy dia tsy hihambahaba izy ny hiondrika sy hibaboka tongotra aman-tanana eo am-paladian’ny Tompon’ny Lahatra. Ary tsy niala teo (…) Andriamanitra tokoa no (…) voalohan-teniny sy faran-teni’ny Filozofia Malagasy.
Rev P. RAHAJARIZAFY, in Filozofia Malagasy, tak. 90.
Fanontaniana: Hadihadio io lahatsoratra io.
Corrigé disponible