BACCALAURÉAT DE L’ENSEIGNEMENT GÉNÉRAL
SESSION 2014
Série C-D ; Epreuve de : MALAGASY
Durée : 03 heures 15 minutes ; Coefficient :4
LAZA ADINA I: Fanontaniana
1- Manomeza anjara asa telo (3) sahanin’ny Iiteratiora eo amin’ny fiarahamonina.
2- Manomeza ohabolana iray avy mikasika ny marina sy rariny hitsiny.
LAZA ADINA II:
A –Famakafakan-kevitra
Hoy Ramily ao amin’ny boky “Vakivakirn-piainana” nosoratan’Iharilanto Patrick: “Ny vola miteraka havana fa ny havana mandany vola.”
Fakafakao Izany fiheverana izany.
B- Fanadihadiana lahatsoratra
Fitsimbinana ny tena
“Ny aina tsy ananam- piry nataon’ny razana fa ny mety dia ny mahafoy ny sisa rehetra hiarovana azy. Izany no tsy mba nandalàna vola aman-karena hitadiava-panefitra tany amn’ny panandro mpisikidy ary nivarotana hatramin’ny zavatsy foy lndtiltdra aza.. Fa “aina” hono mamy ny aina”. Izany koa no nahatonga ny hoe: “raha ho faty ny havana, matesa ny omby; fa raha ho faty ny tena, matesa rahavana”
Nataon’ny razana koa fa ny mety, na dia tsy maintsy ho faty aza any am -parany, dia tsy mitandrina izay rehetra ampaharitra ny aina. “ Fa ny mahery tsy maody tsy ela velona’ (….)
Nefa misy fetra io hakanosana na fitamdreman-tena io.
Raha tonga amin’ny zavatra hinoana ho ambony vidy noho ny aina, mahay mihenjana izy hanao vy very ny ainy ary tsy mataho-maty.
RP RAHAJARIZAFY
Filôzofla Malagasy, takila 44-45
Hadihadio io lahatsoratra
LAZA ADINA I:
1- Anjara asa telo (3) sahanin’ny Iiteratiora eo amin’ny fiarahamonina:
2- Ohabolana iray avy mikasika ny marina sy rariny hitsiny
Marina: “Ny marina tsy mba maty”
Rariny : “Fisaka ny rariny ka saro-tadiavina”
Hitsiny: “Ny hitsiny tsy aritra, ny rariny tsy enti-mandefitra”
LAZA ADINA II:
A –Famakafakan-kevitra
Lohahevitra : Inona no tian’ny mpanoratra hambara ?
Foto-drafitra : Mikasika ny vola sy ny havana
Teny manan-danja :
Fotokevitra : Anjara toeran’ny vola manoloana ny fihavanana
Drafitra : Ny vola miteraka havana, ny havana mandany vola
| Reny Hevitra | Zana-kevitra | Porofo-kevitra |
| Ahazoana havana ny vola | – Anjara asan’ny vola ;
– Manamafy ny fihavanana ny vola ; |
« Ny vola no maja rangahy »
« Manao havako raha misy patsa » |
| Andanina vola ny havana | – Anjara toeran’ny havana eo amin’ny fiaraha-monina ;
– Fiantraikan’izany eo amin’ny samy mpihavana ; |
« Ny adidy tsy an’olon-dratsy »
« Raha manao no tsy ambinina ampisambory fa havana ory, fa raha mirairay tanana kosa avelao hivarina an-tany » |