Malagasy : Session 2013

  • Accueil
  • /
  • Sujets type
  • /
  • Malagasy : Session 2013

BACCALAURÉAT DE L’ENSEIGNEMENT GÉNÉRAL

SESSION 2013

Série A ; Epreuve de : MALAGASY
Durée : 03 heures 30 minutes ; Coefficient : 4

 

Laza Adina I: Fanontaniana

1- Manomeza lahabolana am-bava telo (03) ka lazao ny faritra mpanao azy.
2- Inona avy ireo toko telo nahamasa-nahandro ny literatiora?

Laza Adina II: Isafidianana ny A sy ny B.

A- Famakafakan-kevitra

Fomba fiteny nyhoe: “Ny manao soa tsy mahafaty fa ny ny manao ratsy enjehin’ny nataony”. Fakafakao.

 

B- Fanadihadiana lahatsoratra

IZA…?

Ilay mahita ny tsy hitan’
Ny sarambaben’olona…
Ilay mahatsapa ny tsapan’
Ireo mihevitra ho mpitolona…
Ilay miaina ny tsy iainan’
Ny indray mihira aminy…
Ilay miaritra ny tsy aritr’
Ny maro amin’ny taniny…
Ilay maheno ny tsy henon’
Ny mpisambotra vaovao…
Ilay mitsinjo ny tsy tsinjon’
Ny olo maro toa anao…
Ilay mandre ny tsy renesin’
Izao tontolo izao…
Ilay hafa nefa tsy hafa
Fa ianao dia ianao…?

Ny mpanoratra.

Nalisoa RAVALITERA, 28-02-88 in Sandratra amboara voalohany, tak. 05.

Fanontaniana: Hadihadio io lahatsoratra io.