BACCALAURÉAT DE L’ENSEIGNEMENT GÉNÉRAL
SESSION 2012
Série A ; Epreuve de : MALAGASY
Durée : 03 heures 30 minutes ; Coefficient :4
Laza Adina I: Fanontaniana
“Vaovao manao ahoana no imasoanao hafafy?
Vaovao hahatonga ny firaisan-kina hihamafy?
Sa kosa vaovao hampanjaka ny herisetra,
Ka hifampifofo avy ny olombelona rehetra?
RAZAFIARIVONY Wilson
Laza Adina II: Isafidianana ny A sy ny B.
A- Famafakafan-kevitra
Hoy ity mpandinika iray: “Ny fon’ny mpanoratra no mitempo rehefa manoratra ny fanahiny”. Fakafakao sy tsikerao.
B- Fanadihadiana lahatsoratra
Tsy misy Malagasy hanaiky ho rariny raha voarohirohy izy fa nahafaty mpangalatra nitam-piadiana, tratra am-bodiomby eo ambandrobana ny fananany.
Ny fanafatrafarana azy tsy hikasi-tanana olona toy ireny dia raisiny avy hatrany ho fiandanian’ny lalana amin’ny mpanao ratsy.
Manana ny heviny manokana tsy mitovy amin’ny Tandrefana nantsoahana ny lalana ny Malagasy amin’io Zo sy fananany io.
Indro misy ohatra iray: iny misy olona efa tsy nihinan-kanina hateloana nangalatra tapa-mofo kely, azo izy dia entina eny amin’ny fitsarana … Fitsarana no mametra ny saziny.
Tsy eken’ny fisainana Malagasy izany (…) Raha an’ny Fitsarana ny tapa-mofo dia “rariny” rah any Fitsarana no mikaroka izay fanamaivan-tsazy tiany. Fa raha ahy kosa ny tapa-mofo di any mampihatra ny lalana ihany no anjaran’ny Fitsarana fa anjarako kosa ny mametra na ny sazy farany ambany na ny sazy farany ambony no ahatra na hovotsorana madiodio ny meloka! Manana mpitsara tsy mety diso amin’izay hataoko aho, dia Andriamanitra sy ny vahoaka, ny Tsiny sy ny Tody.
E.D. ANDRIAMALALA, Ny Fanagasiana, tak. 53-54.
Fanontaniana: Hadihadio io lahatsoratra io.