Malagasy : Session 2012

  • Accueil
  • /
  • Sujets type
  • /
  • Malagasy : Session 2012

BACCALAURÉAT DE L’ENSEIGNEMENT GÉNÉRAL

SESSION 2012

Série C-D ; Epreuve de : MALAGASY
Durée : 03 heures 15 minutes ; Coefficient :4

 

LAZA ADINA I: Fanontaniana

1- Milaza karazan-kery telo (03) inoan’ny Malagasy fa mifaningotra amin’ny zotram-piainana

2- Milaza Iohahevitra telo (03) hita taratra amin’ny boky “Vakivakim-piainana” nosoratan’i Iharilanto Patrick ANDRIAMANGATIANA.

LAZA ADINA II:

A- Famakarakan-kevitra

Hoy ity mpandinika iray: “Toa mila tsy hino ny tody intsony ny olona, satria botrabotra ny mpanao ratsy ary soazanina ny mpandàla ny rariny.”

Fakafakao

B- Fanadihadina lahatsoratra

– Loza anie, ry Mino no nafitsok’Ingahy Aziz ahy. Nanalany dimanjato ariary be izao ny karamako, ho vidin’ny kafe sotroiko isa-maraina hono! Ary dia efa fombany amin’ny mpiambina rehetra izany. Haratsampanahin’izay olona re izany!

– Atao ahoana re, ry Tsiry a! Ny fon’ny mpanam-boa tsy miepotepo fiantrana.

– Ka tsy izay fiantrany anie no ilaiko fa ny tokony hoa hy! Tsy mangataka aminy aho fa mitaky ny anjarako.

– Ka ny anjaran’n mahantra ane dia izay atoIotry ny mpanana azy ihany e!

– Dia inona ny fahamarinana amin’izany?

– An’Anddatnanitra ny Fahamaarinana fa an’ny Vola ny rariny eto an-tany. Mampalahelo izany, saingy araka ny hitako, dia izay no zava-misy.Ny tompon’ny fahefana eto an-tany dia ny firena manan-karena. Ary io fahrfana io no ajorony ho Rariny. Ny “rariny” kosa indray no ifotoran’ny “marinyno atao hoe: marina. Ny ankoatr’izay dia tsy izy na raha “izy” tsy misy lanjany akory!

– Mahantra isika mahantra ry Mino!

I P. ANDRIAMANGATIANA.

Vakivakim -piainana, tak. 45

Hadihadio io lahatsoratra io