Malagasy : Session 2011

  • Accueil
  • /
  • Sujets type
  • /
  • Malagasy : Session 2011

BACCALAURÉAT DE L’ENSEIGNEMENT GÉNÉRAL

SESSION 2011

Série A ; Epreuve de : MALAGASY
Durée : 03 heures 30 minutes ; Coefficient :4

 

Laza Adina I: Fanontaniana

  1. Inona avy ireo zavatra entin’ny literatiora ho an’ny mpamaky?
  2. Tanisao ireo adidin’ny velona amin’ny maty.

Laza Adina II: Isafidianana ny A sy ny B.

A- FAMAKAFAKAN-KEVITRA

Hoy ity mpandinika iray: “Tsy misy biby te ho kary fa mahery ny laha-janahary”. Fakafakao sy tsikerao.

B- FANADIHADIANA LAHATSORATRA
Samy hafa amin’ny teny na resaka ifanaovana amin’ny andavan’andro ny asan’ny mpanoratra: voasokajy tokoa izy io satria natao hiantefa amin’ny olona hafa fa tsy mijanona ho fananan-tsamirery.

Mirakitra hafatra hatrany ny vokatry ny asan’ny mpanoratra. Mba hahafahan’ireny hafatra ireny hipaka marina any amin’ny mpamaky na mpihaino dia niniana nampihaingona izy ireny ka zany no nampiavaka azy amin’ny fandre andavanandro.

(…) tsy azo lavina noho izany fa ilain’ny isam-batan’olona ny literatiora (…)

Mampianatra ny olona hahay hanasokajy ny tsara sy ny ratsy. Mandrisika azy hitrandraka sy hikajy sny soatoavina. Manefy ny toe-tsaina ho tia mamorona sy mikaroka ihany koa ny literatiora.

Lila RATSIFANDRIHAMANANA in Rary Tak. 10-11.

Fanontaniana: Hadihadio io lahatsoratra io.