BACCALAURÉAT DE L’ENSEIGNEMENT GÉNÉRAL
SESSION 2010
Série A ; Epreuve de : MALAGASY
Durée : 03 heures 30 minutes ; Coefficient : 4
Laza Adina I: Fanontaniana
Laza Adina II: Isafidianana ny A sy ny B.
A- Famafakafan-kevitra
Hoy ity mpandinika iray: “Manampy ny tsirairay eo amin’ny fanefana ny maha-olona azy ny literatiora”.
B- Fanadihadiana lahatsoratra
Ny hoe Marina dia mora tononina fa saro-dazaina. Noho ny hamoran’ny fanononana azy dia re mandrakariva amin’ny olona rehetra izy, ary mampalahelo aza fa ny olona tsy te hanao ny Marina no mazana fatra-panonona ny hoe: Marina, ho enti-mamadika ny Marina.
Tsy avy hatrany dia fantatra ny Marina fa mbola liana ny vavolombelona mahatoky matetika. Mampalahelo anefa ny mahita ny sasany tsy mety milaza izay tena Marina fa resin-tahotra, tsy sahy mijoro ho vavolombelona mahatoky fa miforitra ohatra ny olona tsy manana hazon-damosina. Ny olona izay milaza ny Marina dia tahaka ny farihy madio mangarangarana ka hita ao ny taratry ny lanitra manga sy ny famirapiratry ny vato kilonjy fotsy.
Joseph RABETAFIKA, Mpanolo-tsaina, Lah-4, oktobra 1904.
Fanontaniana: Hadihadio io lahatsoratra io.