BACCALAURÉAT DE L’ENSEIGNEMENT GÉNÉRAL
SESSION 2010
Série C-D ; Epreuve de : MALAGASY
Durée : 03 heures 15 minutes ; Coefficient :4
LAZA ADINA I: Fanontaniana
1- Manomeza ohabolana telo mikasika ny «marina» ka sintony avy amin’izany ny toetrany.
2- Inona no nilana ny Iiteratiora amin’ny vanim-potoanan’ny Iiteratio am-bava?
LAZA ADINAII
A- Famakafakan-kevitra
Hoy RANDRIANJOAMANANA: “Ny tsy fahaizan’ny olona iray mitsimbina ny ainy
dia miteraka fahvoazana ho an’ny tenany sy ny mpiara-belona aminy ary ny firenena
manontoIo mihintsy aza”.
Fakafakao.
B- Fanadihadiana Iahatsoratra
Ny antony mampiseho ny tsiny eo amin’ny fiainana. Vava manozona ananan-tsiny, tanana mangalatra ananan-tsny, fitondrana tsy marina ka mifanohitra amin’ny navelan’ny NtaoIo, ananan-tsiny (…) Tsy ny heloka lehibe ihany no ananan-tsiny fa hatramin’ny hadisoana kely dia mampanan-tsiny avokoa. Ohatra: toetra mampamoafady teo amin’ny Ntaolo taloha izany hiaraka hilahatra handihy tahaka ny dihy “bal” ankehitriny ka noheverina fa mahafaty vorona, Dikany, mahafolaka an-dantony fa manao fomba mamofady. Ohatra iray hafa: mpitondra fanjakana nanao didiko felehibe, ka manitsaka ny ambany fa manararaotra ny fahefana anany hanasaziana ny ambany raha misy tsangan-kevitra kely mifandiso amin’ny azy.
Koa hoy ny filazany azy tamin’izany: “Ny tsiny tsy mifidy ambony sy ambany tahaka ny rahafafatesana,ka izay miringiringy no lavony, izay mioty manta no Ieony”. Koa na dia alan’iny vava aza ny tsiny, ka esorin’ny Iela ny fondro, kanefa ny fitondran-tena tsy mandeha amin’ny fahamarinana dia toy ny bokaIahy mevina,ka afa-drofy anio fa mbola mivindina rahampitso.
Ka ny fombam-panajana no nolalain’ny Ntaolo, dia noho ny fahatahorana ny tsiny. Aiza anefa izany ankehitriny?
RAKOTO Paul
Tsileondriaka, lah, 6, Okrobra 1972
Hadihadio io lahatoratra io,