BACCALAURÉAT DE L’ENSEIGNEMENT GÉNÉRAL
SESSION 2008
Série A ; Epreuve de : MALAGASY
Durée : 03 heures 30 minutes ; Coefficient : 4
Laza Adina I: Fanontaniana
Laza Adina II: Isafidianana ny A sy B
A- Famafakafan-kevitra
Hoy ny mpandinika iray: “Tsy ilaina ny literatiora, satria ny onja’ny nofinofy voiziny dia misavoana manendrika ny lakan’ny fampandrosoana ny fiaraha-monina”. Fakafakao sy tsikerao.
B- Fanadihadiana lahatsoratra
(…) – Hanao boto? Lehilahy efa mba teny amin’ny oniversite ve dia hanao boton’olona? Tsy rariny kosa izany!
– Fa angaha ny “maha-lehilahy lehibe teny amin’ny oniversite” ahy hahitako ny haniko isan’andro? Ary inona intsony moa izay rariny e? Ny miasa an-trano no mba haiku sy mora mety hahitana asa. Izay no anjara tratrako.
– Marina kanjo ny anao! Tena mampalahelo isika tanora ankehitriny. Mba nianatra ihany. Mba nandanian’ireo ray aman-drenintsika fatotra amam-pondrana ihany, … nefa dia izao: tsy an’asa. Fahiny, rehefa miteny I dada mialohan’ny taom-pianarana vaovao dia hoe: “Mianara tsara! Tsy manan-kolovana afa-tsy ny fahaizana ianareo. Mianara dia ho tafita!” Ankehitriny anefa, toa izay nianatra indray no rendrika (…)
– Izany anie no ilazako hoe: Tsy hitako intsony izay Rariny! Raha ny fikirizako fahiny ry Meja, tsy haniry izay ho mpiasa an-trano mihitsy aho! Tsy izany velively no tanjoko (…) saingy resy e! Ny hahitana izay sitrany ahay vaza-mihetsika sisa …
Iharilanto Patrick ANDRIAMANGATIANA (in VAKIVAKIM-PIAINANA, tak. 26-27)
Fanontaniana: Hadihadio io lahatsoratra io.