Malagasy : Session 2007

  • Accueil
  • /
  • Sujets type
  • /
  • Malagasy : Session 2007

MINISTÈRE DE L’ENSEIGNEMENT SUPÉRIEUR ET DE LA RECHERCHE SCIENTIFIQUE

Direction de l’Enseignement Supérieur Public et Privé — Service d’Appui au Baccalauréat

BACCALAURÉAT DE L’ENSEIGNEMENT GÉNÉRAL

Session 2007 Série A

Épreuve : MALAGASY Coefficient : 4
Durée : 03 heures 30 minutes

SESSION 2007

Série A ; Epreuve de : MALAGASY
Durée : 03 heures 30 minutes ; Coefficient : 4

 

Laza Adina I: Fanontaniana

  1. Tanisao ireo lohateni-pizarana ao anatin’ny Boky “Vakivakim-piainana” nosoratan’I I.P. ANDRIAMANGATIANA.
  2. Omeo ny endriky ny fananam-panahy telo araka ny foto-pisainana Malagasy.

Laza Adina II: Isafidianana ny A sy ny B.

A- Famafakafan-kevitra

Hoy I Nalisoa RAVALITERA: “Zanahary tapany ny mpanoratra”. Fakafakao sy tsikerao izany.

 

B- Fanadihadiana Lahatsoratra

Foto-piasainan’ny Malagasy ny hoe: “Ny Fanahy no olona”, maneho izay heveriny ho fototry ny soa rehetra manendrika ny fiainan’ny mpiara-monina. “Ny Fanahy maha olona” no tsy maintsy manantena manentana antsika eo amin’ny hetsika amam-panao rehetra.

Tsy ho tafarina ny firenena raha tsy io “fanahy maha-olana” io no zary fototra iorenan’ny fiaraha-monina indray. Raha voakolokolo tsara izy dia tsy ho kobaka am-bava intsony fa ho tanteraka an’asa ny fanajana ny fahamendrehan’ny olombelona tsy ankanavaka, ny fikatsahana ny soa iombonana, ny fananana konsiansy sy eritreritra eo am-panatanterahana ny adidy aman’andraikitra.

Hanarenana izany “Fanahy maha-olona” izany eto amin’ny firenena, di any Malagasy tsy misy avakavaka no tsy maintsy mahatsiaro tena ho tompon’andraikitra, misikina herim-po sy fahasahiana hanarina ny toe-javatra.

In GAZETY Kakroan’I Madagasikara, 03/04/88, tak. 04.

Fanontaniana: Hadihadio io lahatsoratra io.

CORRIGE COMPLET

FAMINTINANA (Resume)

Fomba fiasa

Ny famintinana dia tokony ho 1/4 ny halavan ny lahatsoratra. Vakio tsara. Fantaro ny hevitra fototra. Avereno amin ny teninao.


FANAZAVANA LAHATSORATRA

Fampidirana: lohateny, mpanoratra, foto-kevitra. Votoaty: famakafakana ny hevitra. Famaranana: famintinana sy hevitra manokana.


LAHATSORATRA

Tantara: mitantara zava-nitranga. Famaritana: mamaritra toerana na olona. Adihevitra: manohana na manohitra hevitra.


FITENENANA

Matoanteny: atao, natao, hatao, ataovy. Mpamari-toerana: eto, ao, any. Tambinteny: -ko, -nao, -ny.