Malagasy : Session 2006

  • Accueil
  • /
  • Sujets type
  • /
  • Malagasy : Session 2006

BACCALAURÉAT DE L’ENSEIGNEMENT GÉNÉRAL

SESSION 2006

Série C-D ; Épreuve de : MALAGASY
Durée : 03 heures 15 minutes ; Coefficient : 4

 

LAZA ADINA I : Fanotaniana 

1-Manomeza ohabolana na oha-pitenenana iray (01) avy momba an’Andriamanitra 

Zanahary ary ny razana 

2-Milaza anjara asa telo(03) sahan’ny mpanoratra amin’ny maha-panoratra azy ao anaty fiaraha-monina 

LAZA ADINA II

A- Famakafakn-kevitra 

Hoy ny mpadinika iray izany fitiavana ny marina izany no mahatonga ny maro ho sahy miaritra ny loza sy ny fandatsahan-dra ary fahafatesana mba hanjakan’ny rariny sy n hitsiny 

Fakafakao izany 

B- Fanadihadiana lahatsoratra 

Ny fahalalan’ny razana ny tody dia efa nampitany fahedrena toy izao Tsy ny hosoran-tsakay no mangidy hoditra,ary tsy ny hosaran-tately no mamy hoditra, fa ny hatao no mahasoa na maharatsy  Tandremo ny hatao,fa ny soa atao levenam-bola ny ratsy atao loza mihantona 

Vokatry ny hatao’ny olombelona no nahatongaizao loza befahoriana maneho ny fiain’olombelona eto an-tany amin’izao fotoana izao 

Todian’ny ataon’ny alombelona ny olombelona 

Raha izany rehetra izany no dinihina sy fakafakaina tsara dia hita fa ny fanafodin’izany tsara indrindra dia ny manomana ny lalan’ny dieny ankehitriny aoka hiara-mamafy eto an-tany, dieny ankehitriny ny mahasoa sy ny tsara,mba hijinjan’ny taranaka mifandimby rehetra ny tsara sy ny mahasoa