BACCALAURÉAT DE L’ENSEIGNEMENT GÉNÉRAL
SESSION 2005
Série C-D ; Épreuve de : MALAGASY
Durée : 03 heures 15 minutes ; Coefficient : 4
LAZA ADINA I : Fanontaniana
1-Mitanisa boky telo mampalaza an’i Rado.
2-Milaza ohabolana telo mikasika vintana.
LAZA ADINA II:
A-Famakafakan-kevitra
Hoy RANDRIAMAROLAZA Louis Paul
“Ny fanahy no fitaovana ahafahana mifehy ny herin’ny tena sy ny hery ivelany”
Fakafakao.
B-fanadihadiana lahatsoratra
Ny siansa
Ny zava-bahovao vitan’ny siansa sy n fampiharana azy eo amin’ny fiainana andavan’andro dia raisin’ny olombelona amim-pifaliana lahibe tokoa.
Ny zava-mahagaga amin’izao ahavelomantsika izao dia ny fahitana fa mbola misy zavatra tsy hain’ny siansa hatao sy tanterahana.
Na izay aza anefa, hitako fa raiki-tahotra fatratra ny olo-misaina sy mieritreritra rehetra.Ny fitaovam-piadiana no ilofosan’ny siansa andro aman’alina ank-hitriny.
Ho fiarovan-tena noho no anton’ny fikarohana sy ny famoronanan-javatra …Fifanalana hazakazaka amin’ny famoronam-piadiana no hatrehitsika isan’andro
Ny mahatonga ny olona maro hatahotra koa dia ity:mba hhazoa’ny olombelona fahafahana ve ny siansa,sa vaomaika hanadevo sy hanangatra azy?
…Nanjary azo volavolaina ho toy ny tamingana ny olombelona ka azo tao amiin’izay tian-kanaovana azy tsy olombelona afaka intsony izy amin’izany fa manjary toy ny milina azo baikona.
Azo Amboarina ny toe-tsaina amam-panahy. Azo atoa ny hahatonga azy ankahalany zava-tiana. Amin’ny alalan’ny fanafody na fampinjaliana, na fadidiana ny faritra sasany amin’ny tanany .
Hadihadio io lahatsoratra io.