Malagasy : Session 2004

  • Accueil
  • /
  • Sujets type
  • /
  • Malagasy : Session 2004

BACCALAURÉAT DE L’ENSEIGNEMENT GÉNÉRAL

SESSION 2004

Série C-D ; Épreuve de : MALAGASY
Durée : 03 heures 15 minutes ; Coefficient : 4

 

LAZA ADINA I: Fanontaniana 

1-Iza ireo mpanoratra milaza tamin’ny fanentanana ny vahoaka tamin’ny fitadiavana ny very? 

2-Manomeza ohabolana telo mikasika ny fanahy 

LAZA ADINA II

A-Famakafakan-kevitra 

Hoy ny mpandinika iray: 

“Tsy mba lahatra ny fahantrana ; ady ny fiainana….. Izay mahatakatra izany no handombaka ny fandresena” 

Fakafakao izany.

 

B-Fanadihadiana  lahatsoratra 

(…) Ary ity fihavanana ity koa anie no tena manimba ny fiaianan’ny gasy e! Io no atao fialana amin’ny fahalain-kisahirana.

Tsy mahita izay hohanina, dia hivahiny any amin-dRahavavy aloha! Dia any, manao vahiny sari-monina, kamo be tenda any fotsiny, tsy mijery ny fahasahiranan’ny hafa.

Fiainana efa mafy ity ka hitavana ny an’ny olona fotsiny! Sarotra aminao ny fiainan ka no tamoraina ny an’ny hafa! 

(…)Ary tsy hampanan-karena mihintsy ny gasy koa ity fitandroam-pihavanana lava ity e! 

Amiko, aleo very tsikalakalam-pihavanana toy izay very tsikalakalam-bola.Ny Havana; mora hita iny!Vao be ny vola, vao manan-katolotra, tonga izy! Ny manam-patsa be mpitia! 

….Fa raha vao tsy misy “Raha-vola”, hialany, handosirany, hodiany tsy fantatra; amiko, “ ny vola miteraka Havana, fa ny Havana mandany vola.”

Efa mazava tamiko ny fisian’ny zaodahiko.Mbola nisalasala ihany anefa aho….Saingy nony nilaza tamiko manokana izy fa aleony, hono, miopu dinta na moka na hao, toy izay mahita ahy ao an-tranony, dia tapaka ny hevitro: handeha aho.

Iharilanto Patrick ANDRIAMANGATIANA 

Vakivakiam-piainana tak.16-17

Hadihadio , araka ny hita taraka ato amin’ny lahatsoratra ny fahapotehan’ny toe-panahy  mandala fihavanna teo amin’ity Malagasy