BACCALAURÉAT DE L’ENSEIGNEMENT GÉNÉRAL
SESSION 2003
Série C-D ; Épreuve de : MALAGASY
Durée : 03 heures 15 minutes ; Coefficient : 4
LAZA ADINA I : Fanontaniana
1-Milaza toe-java-nisy ara-tantara manamarika ny vanim-potoana fiforetana anaty teo amin’ny sehatry ny literatiora.
2-Mitanisà ohabolana telo maneho fa makamamy ny aina ny Malagasy
LAZA ADINA II:
A-Famakafakan-kevitra
Hoy ity mpandinika iray: “ Tsy lahatra ny fahantrana”
Fakafakao
B–Fanadihadiana ny lahatsoratra
…..Heverintsika ho marim-pandrosoana ny tsy finoana intsony ny tsiny sy ny tody kanefa marina ve fa misy ireo zavatra natahoran’ny Ntaolo ireo? Marina ve fa tsy azo hazavaina ny nahatonga ireo olona ihandronan’ny tsiny, ianjadian’ny voina? …
….Ireo ho lazaina ho “voan’ny tsiny” “sy” itodihan’ny nataony” dia olona efa leo laza, mampiahiahy ny ambanilanitra sady heveriny ho fatritran’olona…..tsy maintsy misy akony eo amin’ny sa man-drahararahan’ilay “voatsiny” izay fiheveran’ny mpiara-belona aminy izany.Ka rehefa el any ela , n any fivelomany hitsipozipozy, ary dia ho tonga amin’izay ny fandatsana hoe: tsinin’izao sy izao.
E.D ANDRIAMALALA
Fanagasiana tak 50-51
Hadihadio io lahatsoratra io