Malagasy : Session 2002

  • Accueil
  • /
  • Sujets type
  • /
  • Malagasy : Session 2002

MINISTÈRE DE L’ENSEIGNEMENT SUPÉRIEUR ET DE LA RECHERCHE SCIENTIFIQUE

Direction de l’Enseignement Supérieur Public et Privé — Service d’Appui au Baccalauréat

BACCALAURÉAT DE L’ENSEIGNEMENT GÉNÉRAL

Session 2002 Série C-D

Épreuve : MALAGASY Coefficient : 4
Durée : 03 heures 15 minutes

LAZA ADINA I: Famakafakan-kevitra
Hoy ity mpandinika iray:
“Raha tsara ny atao dia ny tany sy ny lanitra mitahy, ary ny zavaboary mitsodrano avokoa; fa rehefa tsy mety kosa ny atao, izay ren’ny sofina toa mandatsa avokoa , ary izay jeren’ny maso manozona daloho.Koa samy handanjalanja ny antony anie ka
hitandirna ny ho enti-miaina”.

Fakafakao

LAZA ADINA II: Fanadihadiana lahatsoratra
Ny fahaizana amam-pahalalana dia fanana, harena ao an-tsaina fa ny fahendrena
kosa dia toetra soa enti-miaina amin’ny fampiasana ireo harena sy fananana ireo na kely
na be.
Mety ho be fahaizana sy ambony fahalalana ny olona anefa kosa tsy ampy fahendrena,
tsy mahay miaina.
Tokony ho tsaroana lalina fa tsy fanangonam-pahalalana amam-pahaizana ho
tehirizim-potsiny tsy akory ny fianarana,fa fandranitan-tsaina hampivelatra sy
hampitombo izay rehetra maha-olona, mba hahatonga ny fianainatsika ho loharano
miboiboika tsy mety ritra, mitombo hery eo am-pandehanana.

CHARLES RANAIVO
Fiainana n°33,Mars 1932

Hadihadio ny lahatsoratra

CORRIGE COMPLET

FAMINTINANA (Resume)

Fomba fiasa

Ny famintinana dia tokony ho 1/4 ny halavan ny lahatsoratra. Vakio tsara. Fantaro ny hevitra fototra. Avereno amin ny teninao.


FANAZAVANA LAHATSORATRA

Fampidirana: lohateny, mpanoratra, foto-kevitra. Votoaty: famakafakana ny hevitra. Famaranana: famintinana sy hevitra manokana.


LAHATSORATRA

Tantara: mitantara zava-nitranga. Famaritana: mamaritra toerana na olona. Adihevitra: manohana na manohitra hevitra.


FITENENANA

Matoanteny: atao, natao, hatao, ataovy. Mpamari-toerana: eto, ao, any. Tambinteny: -ko, -nao, -ny.