BACCALAURÉAT DE L’ENSEIGNEMENT GÉNÉRAL
SESSION 2002
Série C-D ; Épreuve de : MALAGASY
Durée : 03 heures 15 minutes ; Coefficient : 4
LAZA ADINA I: Famakafakan-kevitra
Hoy ity mpandinika iray:
“Raha tsara ny atao dia ny tany sy ny lanitra mitahy, ary ny zavaboary mitsodrano avokoa; fa rehefa tsy mety kosa ny atao, izay ren’ny sofina toa mandatsa avokoa , ary izay jeren’ny maso manozona daloho.Koa samy handanjalanja ny antony anie ka
hitandirna ny ho enti-miaina”.
Fakafakao
LAZA ADINA II: Fanadihadiana lahatsoratra
Ny fahaizana amam-pahalalana dia fanana, harena ao an-tsaina fa ny fahendrena
kosa dia toetra soa enti-miaina amin’ny fampiasana ireo harena sy fananana ireo na kely
na be.
Mety ho be fahaizana sy ambony fahalalana ny olona anefa kosa tsy ampy fahendrena,
tsy mahay miaina.
Tokony ho tsaroana lalina fa tsy fanangonam-pahalalana amam-pahaizana ho
tehirizim-potsiny tsy akory ny fianarana,fa fandranitan-tsaina hampivelatra sy
hampitombo izay rehetra maha-olona, mba hahatonga ny fianainatsika ho loharano
miboiboika tsy mety ritra, mitombo hery eo am-pandehanana.
CHARLES RANAIVO
Fiainana n°33,Mars 1932
Hadihadio ny lahatsoratra