Malagasy : Session 2001

  • Accueil
  • /
  • Sujets type
  • /
  • Malagasy : Session 2001

BACCALAURÉAT DE L’ENSEIGNEMENT GÉNÉRAL

SESSION 2001

Série C-D ; Épreuve de : MALAGASY
Durée : 03 heures 15 minutes ; Coefficient : 4

 

LAZA ADINA I: Famakafakana 

Hoy Andriamanalina Rombalahivola ao amin’ny boky  Fanambadiana Malagasy tak.33-34 

“Koa lalao ny FANAHYT maha OLONA!Fa izay tsy manam-panahy handàlana no raikitapisaka ny tsiny”

Fakafakao

LAZA ADINA II: Fanadihadiana lahatsoratra 

…..Eny, hoy I Sahondra niseho lalina, mamono anefa koa mitondra fialan-tsasatra ho ho an’ny eritreritra tsy te hitolona intsony izany……Tsia, hoy izy nihivingivingy, tsy mitsiky amin’ny antokon’olona manokana akory ny fiainana, tsy tany am-piandohana dia voatondro sahady sy maty paika izay sori-dalana tsy maintsy harahina fa…..karazan-dalao ny fiainana: izay mino fa maty sy fadiranovana hatrany am-boalohany no nilaza fa ratsy vintana izy.Lazaina fa miadan-tsaina ireo izay nambinina? Diso izay: feno tsilo sy tolona koa ny lalan-diaviny, toy ny an’ny miaina rehetra, tsy maintsy mandresy hatrany ny voina misakana izy, manavao isan’andro ny fiezahany sy ny fiambenany, maidy sy mitandrina ny fahasambarana dia tsy inona fa tombon-dahin’ny be herim-po sy ny manam-piniavana teo amin’ny tolona nataony, fa tolona, tolona,tolona sy ady ny fiainana ka zara ho an’izay manam-piniavana handresy!…..

Clarisse RATSIFANDRIHAMANANA 

Ny zanako Boky II, tak.44 

Fanontaniana: Hadihadio ny lahatsoratra