Malagasy : Session 2000

  • Accueil
  • /
  • Sujets type
  • /
  • Malagasy : Session 2000

BACCALAURÉAT DE L’ENSEIGNEMENT GÉNÉRAL

SESSION 2000

Série C-D ; Épreuve de : MALAGASY
Durée : 03 heures 15 minutes ; Coefficient : 4

 

LAZA ADINA I: FAMAKAFAKAN-KEVITRA 

Hoy ny mpandinika sasany: 

“Loharanon-karena ara-tsaina sy ara-panahy lehibe tokoa ange ny fahasamihafana raha entina hifamenoana e! Tsy vahaolana ny fanomezan-tsiny raha tsy ny hahalavorary ny fifandraisana no zava-kinendry aminy”.

Fanontaniana: Fakafakao

 

LAZA ADINA II: FANADIHADIANA LAHATSORATRA 

Ah! Ny farasisan’ny ditra sy ny filibana! Ireny no manorisory ny androm-panalebiazana, na dia efa niofana teo amin’ny fibebahana aza ny fo.

Ny fanahy no mety ho fotsy toy ny oram-panala, ny nofo kosa nianjady loatra sy nihosina teo amin’ny halotoana dia nitahiry takaitra saro-tsitranina.

Olona nilalao Ingahy Rabery sy Ramatoa Razafy; samy efa nihosikosina ela teo amin’ny fahotana. Tonga ny androm-pahalehibeazana: eo vao mitaky ny ditra fahiny.

Notezain’aretina izy mivady. Tsy afaka nanao na inona na inona ny vola sy ny harena. Ny fitiavan’ireto olon-tiana aza, tsy nahavita fiory: mampionona fotsiny ny saina rehefa manaikitra loatra ny aretina, na dia izay ihany. 

Efa voro-damba mohaka ny tenany, tsinjony izany, ka dia ny fanahiny no nohantajahiny.

– Oadray! hoy Rabery, izato androm-pahalebiazantsika Razafy, takariva majombona! Moa naniry koa aho raha naniry hanana ilay mahatsara vahiny alohan’ny  hilentehan’ny masoadrom-piainako! Nefa…

–  Nahoana moa no mampahory saina amin izany ianao, rahavako? hoy Ramatoa Razafy, misy inona moa izay ity trano lay ity fotsiny? … Efa voadio ny fontsika. Efa voafotsy ny halotoana. Aoka ho raraka ny hoditra ho lo. Ilay voa notsoahana teo amin’ny fahalavoana mbola tsy simba: indro ao ihany. Zarantsika manana azy.

–  Eny tokoa, hoy Rabery, zara aza fa tsy indray lo ny fanahy sy ny nofo! 

Auguste RAJAOANARIVELO

In “Bina” Takila faha 100 

Hadihadio io lahatsoratra io