MESUPRES — MINISTÈRE DE L’ENSEIGNEMENT SUPÉRIEUR ET DE LA RECHERCHE SCIENTIFIQUE — SECRÉTARIAT GÉNÉRAL
Direction Générale de l’Enseignement Supérieur — Direction de l’Enseignement Supérieur — Service du Baccalauréat
Session 2025 — Série Scientifique et OSE — Options S – OSE
| Épreuve : MALAGASY | Coefficient : 3 |
| Durée : 03 heures 30 minutes | Code matière : 005 |
1) Manomeza lohatenina boky roa (2) nosoratan’i RADO. Lazao ny tena anaran’io mpanoratra io. (isa 2)
2) Lazao ny vokatry ny fananana taranaka maro :
a) Vokatra tsara (valiny roa) (isa 0,5 × 2)
b) Vokatra ratsy (valiny roa) (isa 0,5 × 2)
3) Ahitsio ny diso fanoratra ao amin’ity fehezanteny ity : « Toy ny loham-pary mitsy ny mana-pahaizana Malagasy ka ny ambony indray no tonga matsatso. » (isa 02)
A. Famakafakan-kevitra
Hoy RAMILY ao amin’ny boky vakivakim-piainana nosoratan’i I.P ANDRIAMANGATIANA :
« Ny vola miteraka Havana fa ny Havana mandany vola. »
Fakafakao izany fiheverana izany.
B. Fanadihadiana lahatsoratra
Ny literatiora sy ny tontolo iainana
(…) Raha ny eo amin’ny soratra manokana no hasian-teny dia tsapa fa anjorom-bala tokoa ny mpanoratra. Manan-karena mpanoratra isika saingy tsy haintsika ny mitrandraka izany harena izany ho vy miaina hanentana ny Firenena. Iza anefa no afaka hampita hevitra amin’ny endrika kanto ? …
Ary dia anisan’izany ny mpanoratra ! Hanina tsy mahamaika tokoa angamba ny sakafon-tsaina, ka dia tsy rototra isika. Sahinay anefa ny manizingizina fa raha tsy ny tontolom-pisainana mihitsy aloha no voarindra sy voakarakara, dia ho rediredy ihany ity hoe : tontolo iainana ity. Tsy vitan’ny kabary ambony vavahady io, fa mila asa isan’andro. Iza anefa no hahavita izany ? Raha tsy izay manana rà ao anaty manosika azy, ka afaka hanome endrika kanto ilay hevitra isan’andro, mba tsy hankaleo ny mpandray. Hevitra moa izay mety ho diso, nefa diniho kely ihany sao mba misy azo raisina, hanasoavana ny Firenentsika.
RAKOTOMAHAFALY Norbert Eugène, Madagascar TRIBUNE, laharana 31, Juillet 1990
Hadihadio io lahatsoratra io.