Malagasy BAC Série S 2024 Madagascar : sujet

  • Accueil
  • /
  • Sujets type
  • /
  • Malagasy BAC Série S 2024 Madagascar : sujet

MESUPRES

Secrétariat Général — Direction Générale de l’Enseignement Supérieur — Direction de l’Enseignement Supérieur — Service du Baccalauréat

BACCALAURÉAT DE L’ENSEIGNEMENT GÉNÉRAL

Session 2024 — Série Scientifique — Option S

Épreuve : MALAGASY

Énoncé retranscrit d’après une copie tapée du sujet : la mise en page et le barème officiels peuvent différer.

LAZA ADINA I : Tsy maintsy atao

1. Milazà hasin-javatra roa (02) mahatonga ny asa soratra ho tontosa.

2. Mitanisà ohabolana iray avy mikasika ny marina sy rariny.

3. Mamorona fehezanteny iray avy ahitana ireto teny ireto : noho ny ; nony.

LAZA ADINA II : Isafidianana ny A sy B

A. FAMAKAFAKAN-KEVITRA :

Hoy i R.P. RAHAJARIZAFY, Filôzôfia malagasy : « tsy ho tafarina mihitsy ny firenena raha tsy io “fanahy maha olona” io no zary fototra iorenan’ny fiaraha-monina ».

Fakafakao.

B. FANADIHADIANA LAHATSORATRA :

(…) Araka ny finoan’ny Malagasy, dia tsy ny ratsy na ny soa atao ihany no handraisam-baliny, fa na dia ny tsy fanaovana izay tokony hatao koa aza dia hananan-tsiny. Ohatra, miserana tsy manao mbay lalana ; miteny imasom-bahoaka nefa tsy miala salohy fito ; mihinana imason’ankizy, nefa tsy mba manome sombiny kely ho azy akory… (sns). Tena ananan-tsiny ny fihetsika tsy misy fiheverana ny hafa tahaka izany ! Ary tsy maintsy itangosam-boka-dratsy koa izany fihetsika nananan-tsiny izany. Ary dia izany taho-tody izany no isany niaro ny Malagasy taloha tsy hanao ratsy olona loatra, fa nitandremany fatratra kosa izay nataony.

Indrisy anefa, fa nofoanan’ny fanabeazana frantsay tao an-tsain’ny Malagasy maro izany taho-tody izany. Satria lazainy fa finoanoam-poana mpahazo ny olona tsy nahita fianarana io ka tsy tokony hanelingelina ny eritreritry ny olona mazava saina sy voataiza ara-tsiantsa. Hatreo dia maro no madio eritreritra eo amin’ny fanambakana sy ny tsy rariny ataony. Madio eritreritra izy, satria tsy inoany intsony izany tody izany. Noho izany, dia indrisy, fa mihamitombo andro aman’alina ny ratsy sy ny tsy rariny eto amin’ny fiaraha-monina malagasy. Koa hatraiza no fetran’izany ? Tena mila fanarenana haingana ny firenena.

FETY Michel, Fanabeazana sy fiainam-pirenena

Hadihadio ny lahatsoratra.

Nouveau : l’application Laza-Adina est sur Google Play, pour réviser même sans connexion.L’app est sur Google PlayInstaller
Une question ?