MESUPRES — MINISTÈRE DE L’ENSEIGNEMENT SUPÉRIEUR ET DE LA RECHERCHE SCIENTIFIQUE — SECRÉTARIAT GÉNÉRAL
Direction Générale de l’Enseignement Supérieur — Direction de l’Enseignement Supérieur — Service du Baccalauréat
Session 2022 — Série Scientifique — Option S
| Épreuve de : MALAGASY | Coefficient : 3 |
| Durée : 04 heures | Code matière : 005 |
MALAGASY
NB:
– Tsy maintsy atao ny laza adina I
– Isafidianana ny laza adina II
1. a) lazao ny karazan’ireto asa soratra ireto: (isa 02)
– Vakivakim-piainana
– Ny fanagasiana
b) Omeo tsirairay ny mpanoratra ireo boky ireo
2. a) Manomeza ohabolana roa mikasika ny tsiny (isa 02)
b) tsoahy avy amin’izay ny toetrany
3. a) Fenoy ny iray amin’ireto teny ireto ny banga ao amin’ny F1 sy F2 : (isa 02)
– Manantona
– Manatona
F1: Raha misy tsy metimety dia aleo……………tobim-pahasalamana
F2: ……………………ny kitapony ny mpianatra.
b) Lazao ny maha samy hafa ireo teny roa ireo.
A- FAMAKAFAKAN-KEVITRA
Hoy ity mpandinika iray:
“Tsy mahaleo tena ny olombelona fa ny firaisany amin’ny besinimaro no ahavitany tena sy mahatonga lafatra azy”.
Fakafakao.
B- FANADIHADIANA LAHATSORATRA
Ny tsiny
Sarotra ny tsy hananan-tsiny. Aoka ilazako ohatra kely ianao: Siny tokana ny azy telo mianaka nentiny nantsaka ka nony niloloha Rangahy, nanome tsiny azy ny lahy antitra rehetra. Niloloha kosa Rafotsy, nanome tsiny azy ny vehivavy rehetra .Nampilolohavina an’Ilaikely indray, nanome tsiny azy ny ankizy rehetra, hany hery niarahan’izy telo mianaka nivimbina, ka nanakora ny olona rehetra, fa siny zakan’olon-drery ka ifandrombahan’olona telo. (…)
Tsy azonao atao ny handositra ny hatsiaka, fa ny fitafiana atao tsara tevina, tsy hainao koa ny tsy ho voatsiny fa ny toetranao ihany atao tsara tandrina. Ny hahafa-tsiny ambony indrindra dia ny tsy manao fialana na manohi-bava aza, fa ny mampiseho ny toetra sy ny asa mifanohitra amin’ny faniniana ataon’ny hafa.
RAJAONAH TSELATRA,
in Vary amin’ anana, tak.192
Hadihadio io lahatsoratra io.
📄 Connecte-toi pour télécharger le PDF
C'est gratuit et ça prend 10 secondes.
Continuer avec Google Continuer avec Facebook Créer un compte avec un e-mailDéjà inscrit ? Se connecter