Malagasy BAC Série OSE 2022 Madagascar : sujet

  • Accueil
  • /
  • Sujets type
  • /
  • Malagasy BAC Série OSE 2022 Madagascar : sujet

Télécharger le sujet en PDF

MESUPRES — MINISTÈRE DE L’ENSEIGNEMENT SUPÉRIEUR ET DE LA RECHERCHE SCIENTIFIQUE — SECRÉTARIAT GÉNÉRAL

Direction Générale de l’Enseignement Supérieur — Direction de l’Enseignement Supérieur — Service du Baccalauréat

BACCALAURÉAT D’ENSEIGNEMENT GÉNÉRAL

Session 2022 — Série OSE — Option OSE

Épreuve de : MALAGASY Coefficient : 3
Durée : 04 heures Code matière : 005

NB :
– Tsy maintsy atao ny Laza adina I.
– Isafidianana ny Laza adina II.

I- LAZA ADINA I : Tsy maintsy atao (Isa 06)

1. a) Manomeza lahabolana roa samy hafa. (Isa 02)

b) Lazao ny foko na faritra manao azy

2. Ny tsiny sy ny tody (Isa 02)

a) Lazao ny toetra iraisany (Valiny 2)
b) Inona no maha samy hafa azy ireo ? (Valiny 2)

3. a) Fenoy amin’ireto teny ireto ny banga amin’ny fehezanteny eto ambany : (Isa 02)

– Malagasy
– malagasy

Soatoavina manana ny lanjany teo amin’ny ………… ny fihavanana. Any amin’ny faritra hafa dia misy fomba …………… efa hadino.

b) Ampiasao ao anaty fehezanteny iray avy ireto :
– Noho ny
– Nony

II- LAZA ADINA II. Isafidianana ny A sy B. (Isa 14)

A- FAMAKAFAKAN-KEVITRA

Hoy ny Ntaolo :

« Ny fanahy no olona». Maro anefa no mirona amin’ny « Ny vola no maha Rangahy »ankehitriny.

Fakafakao.

B- FANADIHADIANA LAHATSORATRA

Ny amin’ny olombelona

(…) Tsy misy azo antoka ho maharitra mandrakizay anefa ny toetra eto ambonin’ny tany fa : «Ny olombelona tsy main-tsy lena» ; mora soa mora ratsy », ary «toy ny voatra ampangoro, ka mifandimby ambony sy ambany», koa «ny ambony aza manindry, ny ambany aza mandrirotra»

Ny mifanasoa no anjaran’ny olombelona, ka tandremo lahy sao dia rambony manamavo ny vodiny ; fa aoka kosa mba lelany hanamandina ny trafony». Ary «tsongoy fon-tena, tsongoy fon’olona, fa raha mahalala marary ny an’ny tena, mba mahalala marary ny an’ny olona».

Ary aza mivarilavo na mamoy fo raha sendra voan’ny mafy, fa «ny fositra ve no tsy hambolem-boavahy ? ary «raha indray mandeha no manta vary dia aiza no handevin-tsotrobe ?»

NTAOLOZANDRINY,
in. Fanilon’ny Tanora, Lah : 62, Desambra 1962

Hadihadio io lahatsoratra io.

Voir le document original (PDF)
Nouveau : l’application Laza-Adina est sur Google Play, pour réviser même sans connexion.L’app est sur Google PlayInstaller
Une question ?