MESUPRES — MINISTÈRE DE L’ENSEIGNEMENT SUPÉRIEUR ET DE LA RECHERCHE SCIENTIFIQUE — SECRÉTARIAT GÉNÉRAL
Direction Générale de l’Enseignement Supérieur — Direction de l’Enseignement Supérieur — Service du Baccalauréat
Session 2025 — Série Littéraire — Option L
| Épreuve : MALAGASY | Coefficient : 6 |
| Durée : 04 heures | Code matière : 005 |
1) Lazao izay mahakanto ity ampahan-dahatsoratra ity :
« Efa rangahy e !… Ingahirainy kely manko e ! Kaodikaody ny madinika raha hihaona amiko ary nahafantatra ahy ny vaventy sendra tazako. Lakana sy zahatra i Mose Ratsiry sy Besapaka. » (Isa 1)
2) Manomeza antony roa (02) mahatonga ny Malagasy hanaja ny « fady ». (Isa 2)
3) a) Ahitsio ny diso fanoratra amin’ity fehezanteny ity, tsipiho eo ambanin’izay teny voahitsy : « Tsy hazo ny fanazavana momban’ny itondrana ny asa. » (Isa 1)
b) Lazao ny mampiavaka ny hevitry ny hoe :
– dia an-tongotra (Isa 1)
– dian-tongotra (Isa 1)
A. Famakafakan-kevitra
Hoy RATREMA William ao amin’ny Riba sy Lohahevitra :
« Izay ambinina ihany no sendra anjara soa. »
Fakafakao sy tsikerao.
B. Fanadihadiana lahatsoratra
Mazàna ny mpamaky ihany no voatonona rehefa miresaka mpankafy ny literatiora ny mpandinika. Tsy azo odian-tsy hita anefa fa eo dia eo koa ny mpijery sy ny mpihaino. Tsy kanto ho azy amin’izao ny soratra na ny volana raha tsy voasedran’ny mpankafy azy : tsy maintsy mambabo ny fo amam-panahy, na mampiaiky ny sainy aman’eritreriny.
Fa na inona na inona fahaizan’ny mpamorona teny kanto sy sora-kanto, na manan-tsaina toy inona aza izy ireo, tsy hisy dikany izany rehetra izany raha tsy eo ny mpankafy literatiora.
Rehefa ny mpamaky literatiora no mandà izay famoronana atolotra azy dia very hasina avy hatrany ny zava-bitan’ny mpanoratra sy ny mpivolana, satria hisy banga ny rafitra mitantana ny literatiora.
Iainan’ny mpankafy ireny literatiora ireny, satria ny zava-misy ihany no taratra ao anatiny ary izy mpankafy no fototra ijoroany sy sehatra ivelarany.
RANOË, Ambioka, laharana 50, 2002
Hadihadio io lahatsoratra io.