Malagasy BAC Série C-D 2022 Madagascar : sujet

  • Accueil
  • /
  • Sujets type
  • /
  • Malagasy BAC Série C-D 2022 Madagascar : sujet

Télécharger le sujet en PDF

MESUPRES — MINISTÈRE DE L’ENSEIGNEMENT SUPÉRIEUR ET DE LA RECHERCHE SCIENTIFIQUE — SECRÉTARIAT GÉNÉRAL

Direction Générale de l’Enseignement Supérieur — Direction de l’Enseignement Supérieur — Service du Baccalauréat

BACCALAURÉAT DE L’ENSEIGNEMENT GÉNÉRAL

Session 2022 — Série Scientifique — Option C-D

Épreuve de : MALAGASY Coefficient : 3
Durée : 03 heures 30 minutes Code matière : 005

NB :
– Tsy maintsy atao ny Laza adina I.
– Isafidianana ny Laza adina II.

I- LAZA ADINA I : Tsy maintsy atao (isa 06)

1. Milazà fikambanana roa ivondronan’ny mpanoratra Malagasy fanta- daza ankehitriny. (isa 02)

2. Manomeza anarana gazety roa ankehitriny tsy miresaka afa-tsy literatiora. (isa 02)

3. Katsahina lalandava ny marina eo anivon’ny fiarahamonina manomeza ohabolana roa maneho ny maha ratsy ny lainga. (isa 02)

II- LAZA ADINA II. Isafidianana ny A sy B. (isa 14)

A- FAMAKAFAKAN-KEVITRA

Hoy R.P. RAHAJARIZAFY :

«Vatomizana andanjana ny fahendren’ny Malagasy ary refy andrefesana ny fahalalany ny fanahy ».

Fakafakao.

B- FANADIHADIANA LAHATSORATRA

Lasa ihany ny eritreritro rehefa mby tao an-tsaiko ilay tenin-dRamily hoe : «I Tsiry be kamo lahy be ! kamo ka tsy nahavita fianarana !»

Anisan’ny nampanaintaina ahy koa ny momba io tsy nahatontosako ny fianarana ambony io.

Mba niezaka ihany aho niari-tory tamin’ny labozia sy hatsiaka fa te-ho afaka. Nifoha maraina talohan’ny masoandro sy ny olo-miadana fa te-ho mari-pidirana (…) Mba nataoko avokoa izay tokony ho fiafian’ny mpianatra te ho tafita.

Indrisy anefa. (…) Dia tany amin’ny Voahangy anabaviko aho no nisitrika (…) kanjo efa niandry ahy tao Ramily sy ny vava basiny !

-«Fa ahoana Ratsiry a ? Fangaha r’ise, izany fianarana, ambony izany natao ho an’izao atidoha kely rehetra izao a !…

Hadalanay angaha no mahazo BEPC dia nanao Zandary ? Izao : ny bokotra ananako, ny vola miditra ! Ary ity ise ?»

Raha ny hambom-po fotsiny dia ho nandeha avy hatrany aho tamin’izay. Saingy aiza anefa ?

(…) Dia naleoko nijanona nitampify teo ambanin’ilay bokotry Ramily ! Bokotra be efa-joro fenoin’ny mpamily vola isan’andro ! Saika izany avokoa manko, hono, ireny mpamily rehetra ireny, ka raha vao sakanany dia manome azy «saram-pisakaizana». Sambatra izy !

I.P. ANDRIAMANGATIANA,
in Vakivakim-piainana, tak 10-11

Hadihadio io lahatsoratra io.

Voir le document original (PDF)
Nouveau : l’application Laza-Adina est sur Google Play, pour réviser même sans connexion.L’app est sur Google PlayInstaller
Une question ?