Malagasy

BACCALAURÉAT DE L’ENSEIGNEMENT GÉNÉRAL

SESSION 2009

Série C-D ; Epreuve de : MALAGASY
Durée : 03 heures 15 minutes ; Coefficient :4

LAZA ADINA I: Fanotaniana

1-Manomeza ohabolana na fomba fiteny iray avy momba ny marina. ny vintana ary ny tsiny,

2- Indreto misy lohatenina boky. Lazao avy ny anaran’ny mpanoratra azy:

Mitaraina ny tany -Sikajin’i Dadabe -Ny Fanagasiana

LAZA ADINA II 

A-Famakafakan- kevitra 

Hoy ny mpandinikaa iray: “Ny fahalalana miara-dalana amin’ny fahendrena no antoky ny fampandrosoana ny fiaraha-monina”

fakafakao izany fiheverana izany.

B- Fanadihadiana lahatsoratra 

…Fantatry ny Ntaolo fa samy mahatsiaro tena ho olona daholo ny  tsirairay isam-batan’olona ary dia sarotiny mafy amin’izany.Fa tsy misy na iray aza faIy raha atao hoe “biby”. Ary dia io no anaovan’ny Ntaolo (…) hoe: “Raha te ho olona ianao dia aoka ho tsara fanahy amin’ny namanao ary hitandrina tsara ny fiaraha-monina fa “ny fanahy no maha olona”. Koa raha tsara fanahy ny olona dia antonona ho azy ny antsoina hoe: “olona” ary dia samy manaiky izany ny mpiara-monina. Fa naha tsy izany kosa dia antsoin’ny olona hoe “biby iny fa tsy olona” Ary dia tsy zakan’ny olona ny atao izany.

Noho ireo antony ireo dia samy miezaka ny isam-batan’olona ao amin’ny fokonolona Malagasy mba hanatsara hatrany ny fiaraha-monina. Ka dia nahay niara-monina izy. Ary dia zany fahaizaria miara-monina izany indray no hatsangana amin’izany fokonolona vaovao izao.

FETYMICHEL

In Nahoana no avondrona ho fokonolona isika Tak.13

Hadihadio io ahatsoratra io,