BACCALAURÉAT DE L’ENSEIGNEMENT GÉNÉRAL
SESSION 2002
Série A1 – A2 ; Épreuve de : Histoire – Géographie
Durée : 04 heures ; Coefficient : 4
A – QUESTIONS OBLIGATOIRES (5points)
1 – Le rôle de l’Etat dans l’économie américaine. (3pts)
2 – Dites ce que vous savez sur ‘‘le coup de Prague’’ (2pts)
B – SUJETS AU CHOIX (15points)
NB : Le candidat doit traiter UN sujet sur les DEUX proposés
1 – Dissertation
L’espace industriel des USA et son impact sur la répartition de la population.
2 – Commentaire de document
Au cours des années 1960, le monolithisme des deux blocs tend à s’effriter, les deux super-grands amorcent une coopération commerciale et un dialogue visant à limiter la course aux armements : c’est l’ère de la détente. Cet esprit nouveau d’ouverture n’exclut pas la confrontation ; particulièrement aiguë dans le long conflit vietnamien, elle reste une donnée permanente des relations internationales.
in Collection GREHG / Terminales (A, B, C, D)
————————————————————————————————————-
A – FANONTANIANA TSY MAINTSY VALIANA (Isa 5)
1 – Ny anjara toeran’ny fanjakana eo amin’ny toekarena amerikana. (Isa 3)
2 – Lazao izay fantatrao momba ny ‘‘Coup de Prague’’ (Isa 2)
B – LAZA ADINA ISAFIDIANANA (Isa 15)
NB : Isafidianana ny laza adina 1 sy 2
1 – Famoaboasan-kevitra.
Ny heban’ny indostrian’ i Etazonia sy ny fiantraikany eo amin’ny fiparitahan’ny mponina.
2 – Fanadihadiana tahirin-kevitra.
Ny filefahana : 1962 – 1975.
Nandritra ireo taona 1960, niroso nankany amin’ny fitresatresahana ny firidiridin’ny vondron-tany roa, nanomboka ny fiaraha-miasa ara-barotra sy ny dinika mikendry ny famerana ny hazakazaka amin’ny fanamboarana fitaovam-piadiana ny Ngeza roa tonta : izany no vanim-potoan’ny filefahana. Io foto-pisainana vaovao mankany amin’ny fisokafana io anefa, dia tsy nahasakana velively ny fifandonana, izay marihina fa tena nahery vaika tokoa nandritra ny ady lavareny tany Vietnama, izay nijanona ho toe-draharaha maharitra teo amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena.
Nalaina tao amin’ny ‘‘Collection GREHG / Terminales (A, B, C, D).
Histoire, le monde de 1939 à nos jours p.128.