LAHATSORATRA
Na dia anisan’ny Hôpitaly lehibebe sy mba hary fomba ihany aza ny tao Moramanga raha ampitahaina amin’ny eran’ny nosy ; dia kely sy feno fihafiana loatra raha ampitahaina amin’ny hitan-dRamavo tany Eôropa… Tsy azo afenina koa ny tsy fahampian’ny fanomanana ireny mpiasa ireny : ny marary maro rahateo, ka tsy afa-po amin’ny fikarakarana na ny marary na ny mpiteraka. Mandrakariva aza dia miferinaina sy velon-taraina ry zareo tsaboina satria toa vao mainka mihombo ny aretina rehefa voakitakitaka sy mahita ny endrika tsy faly asehon’ireo mpitsabo tsy ampy finiavana.
…Anisan’ny manahirana eto io, Rasazy : mitambesatra eto na ny tsy fahampiam-bola na ny tsy fahampiam-pitaovana na ny tsy fahampian’ny mpiara-miasa… Ambonin’izany mampihetry ny fari-piainana sy ny tsy fahaizan’ny olonoa mitandrina ny fitaovam-panjakana na ny tsy firaharahana ireny mihitsy aza eo amin’ny mpiara-miasa sy eo amin’ny olona tsaboina.
…Zatra ny notoloram-potsiny, notolorana ny kely sy ny variraiventy rehefa tsy navela nitantana ny harentsika intsony hatramin’ny nahavery ny fiandrianantsika, hatramin’ny fanjanahantany, hany ka raha vao tsy misy mpanolotra, raha vao tsy misy mpanome na avy eto an-tanindrazana na avy any ivelany dia toy ny mitanatana vava, toy ny ao anaty fahantrana tanteraka ny firenena.
E.R.R
Ho avy ny maraina, tak-27-28
FANONTANIANA
I. MIKASIKA NY LAHATSORATRA
1.Fahazahoana ny lahatsoratra :
1.1. Hevi-teny :
a.Manomeza teny na andian-teny mitovy hevitra amin’ny andian-teny misy tsipika eo ambaniny amin’ity fehezan-teny ity :
« Na dia anisan’ny Hôpitaly lehibe sy mba hary fomba ihany aza ny tao Moramanga … dia kely sy feno fihafiana. »
b. Manomeza teny na andian-teny iray mifanohi-kevitra amin’ny teny misy tsipika eo ambaniny amin’ity fehezanteny ity :
« Vao mainka mihombona ny aretina. »
1.2. Hevitra ao amin’ny lahatsoratra :
Inona no fiantraikan’ny tsy fahampian’ny fitaovana teo amin-dRamavo teo ampanatanterahana ny asany ? (Valiny roa)
1.3. Faminitinana lahatsoratra
Fintino amina fehezanteny telo ny lahatsoratra, araka ny hevi-dehibe raketiny.
2. Fitsikerana ny lafiny fanehoan-kevitra :
2.1. Ny mpanoratra sy ny sokajin-dahatsoratra :
a. Ny mpanoratra sy ny asa soratra :
Omeo ny anaran’ireo mpanoratra roa ao amin’ny fandaharam-pianaran’ny kilasy fahatelo.
Iza amin’izy ireo no nanoratra ny boky « Lavakombarika » ?
b. Sokajin-dahatsoratra :
Ity misy ampahan-dahatsoratra :
« Tsy azo afenina koa ny tsy fahampian’ny fanomanana ireny mpiasa ireny : ny marary maro rahateo, ka tsy afa-po amin’ny fikarakarana na ny marary na ny mpiteraka. »
Lazao ny sokajy misy io ampahan-dahotsoratra io ary manomeza porofo roa manamarina izany
2.2. Fanehoana ny kanto :
Milazà sarin-teny roa hita ao amin’ity fehezan-teny ity :
« Mitambesatra eto na ny tsy fahampiam-bola na ny tsy fahampiam-pitaovana na ny tsy fahampian’ny mpiasa. »
II. MIKASIKA NY RIBA :
1. Riba ao amin’ny lahatsoratra :
1.1. Fisehoan’ny riba :
a. Araka ny hita ao amin’ny lahatsoratra, milazà fihetsika roa tsy mendrika eo amin’ny fandraisan’ny mpiasa ny marary.
b. Milazà antony roa mahatonga ny tsy fandrosoan’ny toeram-piasana.
1.2. Hevitra fonson’ny riba :
a. Inona no hevitra fonosin’ny hoe : « mikitakita » ? (Valiny roa)
b. Tohizo ity oha-pitenenana ity : « Izay marary …………………. »
2. Riba ao amin’ny fandaharam-pianarana :
2.1. Fisehon’ny riba :
a. Fidio amin’ireto izay maneho endrika isehoan’ny famadihana : savatse, famokarana, joro, fitampoha.
b. Ampifandraiso amin’ny alalan’ny tsilo ny fomba fiteny sy ny toe-javatra :
Fomba fiteny Toe-javatra
Arahaba ririnina . . Tera-bao
Tongava taiza . . Fahafatesana
Arahaba tsy maty fo aman’aina . . Marary
Azà manam-be . . Nieren-doza
2.2. Hevitra fonosin’ny riba :
a. Manomeza anarana roa iantsoana ny zanaka.
b. Milazà lafiny roa maharatsy ny famadihana.
III. MIKASIKA NY FITSIPIKA :
1. Rafi-teny :
1.1. Endri-teny :
a. Mitadiava teny roa ao anaty lahatsoratra ahitana teny verin-droa.
b. Rasao ny teny misy tsipika eo ambaniny ao amin’ity fehezan-teny ity ary omeo ny anaran’y hasin-teny tsirairay avy.
« Tsy azo afenina koa ny tsy fahampian’ny fanomanana ireny mpiasa ireny ».
1.2. Sokajin-teny :
Fenoy teny na sokajin-teny ny banga ao amin’ny tsanganana miainga amin’ity fehezanteny ity :
« Velon-taraina ry zareo ry zareo tsaboina satria mahita ny endrika tsy faly asehon’iretsy mpitsabo ».
| Teny | Sokajin-teny |
| Ry zareo | . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . |
| . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . | Mpampiankina |
| Faly | . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . |
| . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . | Mpanampy |
2. Tsipelin-teny :
Ahitsio izay diso tsipelina amin’ity fehezan-teny ity ary avereno adika ny fehezanteny voahitsy :
« Antoky ny fampandrosoana ny mponina salama, any ka tokony ampiroboroboana ny toeram-pitsaboana. »
3. Fifehezan-teny :
3.1. Anjara-asa :
Omeo ny anjara-asan’ny teny misy tsipika eo ambaniny amin’ity fehezan-teny ity :
F : « Heverina fa mampihetry ny fari-piainana ny fanimbana ny fitaovana iombonana. »
3.2. Hevitra ara-drafitra sy fitodika :
a. Hevitra ara-drafitra :
Omeo ny hevitra ara-drafitra na andian-teny misy tsipika eo ambaniny ary hamarino ny valin-teninao :
F1 : « Mihombo noho ny kitakitan’ny mpitsabo ny aretina ».
F2 : « Sahiran-tsaina noho ny tsy fahampian’ny fitaovana Ramavo ».
b. Fitodika
Lazao ny fitodik’ity fehezanteny ity ary hamarino ny valin-teninao.
« Asehon’iretsy mpitsabo ny endrika tsy faly ».
3.3. Fehezan-kevitra :
Avaho ny fehezan-kevitra amin’ity fehezanteny ity ary lazao ny fifandraisany avy eo :
« Ny marary raha teo ihany koa tsy afa-po tamin’ny fikarakarana sady velon-taraina ry zareo. »
IV. FAMORONAN-DAHATSORATRA :
« Antoky ny fampandrosoana ny firenena ny fananana mponina salama sy tomady ».
Velabelaro anaty fehezanteny dimy ambin’ny folo (15) ahitana rafitra sy drafitra mazava-tsara ary zohin-kevitra mirindra tsy ahitana tsipelina diso io fiheverana io ary manomeza ohatra vitsivitsy manamarina ny valin-teninao.
Corrigé disponible