LAHATSORATRA
Nanomboka hampita ireny hevitra ireny Randria tany am-panangonam-okatra tany. Saika tsy nino izy nony afaka volana vitsivitsy taty aoriana, betsaka no tsy nino toa azy tamin’ireo olona nitantarany fa misy toerana maromaro ahitana ny fiarah-miasan’ny tambanivohitra, mampitatra ny valin-tanana, manova ny endriky ny dinam-pokonolona mba hampitodika bebe kokoa ny saina amin’ny fiaraha-mamokatra tsy hoe an’ny tombotsoan’ny fianakaviana fotsiny ihany fa hoan’ny faritany manontolo mihitsy.
Koa tanàna vitsivitsy mifanakaiky mihitsy aza no indreo mifaninana sy mifarimbona, mifampitarikasy mifanentana ho amin’ny fiaraha-miasa vaovao. Azo tsapain-tanana ny vokatr’izany, na dia miadana dia miadana aza ny fisehony. Nitatra tsikelikely ny lalana azon’ny saretin’omby naleha nadia sarotra aza ny fanatanterahana izany noho ny tsy fananana fitaovana ara-dalàna. Nifanantena ny mponina mba hiaro ny vokatry ny taniny tsy hanjakan’ny mpijirika sy ny mpanambaka azy hatrizay, ary indrindra nataony tsy nahita hirika intsony ireo vahiny mpitratrevatreva nanararaotra ny tsy fahalalany sy fahasahiranany amin’ny fiakaran’ny vokatra isan-taona. Tsaroany kokoa ankehitriny fa eo am-pelatanany ny hery hiadiana amin’ny hanoanana sy ny tsy fisiana mifamotoana amin’ny fahavaratra.
ESTHER RASOARIMALALA RANDRIAMAMONJY
Ho avy ny maraina, tak 25
A. MIKASIKA NY LAHATSORATRA
1. Fahazoana ny lahatsoratra :
1.1. Hevi-teny :
a. Manomeza teny na andian-teny mitovy hevitra amin’ny teny misy tsipika eo ambaniny :
« misy toerana maromaro ahitana ny fiarah-miasan’ny tambanivohitra, mampitatra ny valin-tanana ».
b. Manomeza teny na andian-teny mifanohi-kevitra amin’ny teny misy tsipika eo ambaniny :
« Koa tanàna vitsivitsy mifanakaiky mihitsy aza no indreo mifaninana sy mifarimbona ».
1.2. Hevitra ao amin’ny lahatsoratra :
Araka ny lahatsoratra, inonany zavatra tsy dia ninoan-dRandria loatra ?
1.3. Famintinana lahatsoratra :
Fintino amin’ny fehezan-teny telo manaraka ny drafitra ny hevi-dehibe raketin’ny lahatsoratra.
2. Fitsikerana ny lafiny fanehon-kevitra :
2.1. Ny mpanoratra sy ny sokajin-dahatsoratra :
a. Ny mpanoratra sy ny asa-soratra :
– Milazà fikambanana roa nisy an’i ESTHER RANDRIAMAMONJY ?
– Sombin-tantara sa tantara an-dampihazo sa tantara foronina ny boky « Lavakombarika ».
b. Sokajin-dahatsoratra :
Lazao ny sokajy misy ity ampahan-dahatsoratra ity, hamarino ny valin-teninao. (Valilny roa)
« Nitatra tsikelikely ny lalana azon’ny saretin’omby naleha nadia sarotra aza ny fanatanterahana izany noho ny tsy fananana fitaovana ara-dalàna. Nifanantena ny mponina mba hiaro ny vokatry ny taniny tsy hanjakan’ny mpijirika sy ny mpanambaka azy hatrizay… »
2.2. Fanehoana ny kanto :
Lazao ny sarin-teny hita amin’ny ity fehezanteny ity :
« Nataony tsy nahita hirika hidirana intsony ireo vahiny mpitratrevatreva nanararaotra ny tsy fahalalany. »
B. MIKASIKA NY RIBA :
1. Riba ao amin’ny lahatsoratra :
1.1. Fisehon’ny riba :
Araka ny teny hita ao amin’ny lahatsoratra,
a. Inona avy ireo endrika isehoan’ny valin-tànana ? (Valiny telo)
b. Laza ireo voka-tsoa ateraky ny valin-tànana ? (Valiny telo)
1.2. Hevitra fonosin’ny riba
a. Lazao ny hevitra fonosin’ity fehezanteny ity ?
« Tànana vitsivitsy mifanakaiky no indreo mifaninana sy mifarimbona. »
b. Inona no fihetsika hita taratra amin’it fehezanteny ity ?
“ Nifanentana ny mponina mba hiaro ny vokatry ny taniny tsy hanjakan’ny mpijirika sy ny mpanambaka”.
2. Riba ao amin’ny fandaharam-pianarana :
2.1. Fisehoan’ny riba :
a) Milazà fitaovana roa ilaina amin’ny “ala volon-jaza”
b) Tohizo izao ohabolana izao : “Ny fanambadiana toy ny tokon-kena,……………………………..
2.2. Hevitra fonosin’ny riba :
a) Inona no hevitra fonosin’ny “fampandroana ny maty ?” (valiny roa)
b) Inona no soatoavina raketin’ny famorana ? (valiny roa)
D- MIKASIKA NY FITSIPIKA
1. Rafi-teny :
1.1. Endri-teny :
a) Tsimpony ny teny misy tsirin-teny sara-droa amin’ity fehezan-teny ity :
“Betsaka no tsy nino toa azy tamin’ireo olona nitantarany.”
b) Rasao ny teny misy tsipika eo ambaniny ao amin’ity fehezan-teny ity ary omeo ny anaran’ny hasin-teny tsiarairay avy :
“Misy toerana maromaro mampitatra ny valin-tànana.”
1.2. Sokajin-teny :
Fenoy ny banga ao amin’ny tsanganana miainga amin’ity fehezan-teny ity : “Nanomboka hampita ireny hevitra ireny Randria tany am-panangonam-bokatra tany.”
| TENY | SOKAJIN-TENY |
| manomboka | ………………………………………………………….. |
| …………………………………………………………. | Mpisolo Manondro |
| Randria | ………………………………………………………….. |
| …………………………………………………………. | Mpisolo tena |
2. Fifehezan-teny :
2.1. Anjara-asa :
a. Omeo ny anjara asan’ny teny misy tsipika eo ambaniny ary hamarino ny valinteninao :
F1 : “Sarotra ny fanatanterahana izany noho ny tsy fananana fitaovana ara-dalàna.
F2 : “Nitatra tsikelikely ny làlana.”
b) Fitodika:
Lazao ny fitodik’ity fehezan-teny ity ary hamarino ny valin-teninao :
“Nifanentana ny mponina mba hiaro ny vokatry ny tanany”.
2.3. Fehezan-kevitra :
Avaho ny fehezan-kevitra amin’ity fehezan-teny ity ary lazao ny fifandraisany avy eo :
“Saika tsy nino Randria fa misy toerana maromaro ahitana ny fiaraha-miasan’ny tambanivohitra.”
E. FAMORONAN-DAHATSORATRA :
Fantatra fa “midika fiaraha-miasa ny valin-tanana”. Manomeza voka-tsoa roa azo amin’ny valin-tànana ary hazavao ao anatin’ny fehezan-teny dimy ambin’ny folo (15), ahitana rafitra sy drafitra mazava tsara ary zohin-kevitra mirindra tsy ahitana tsipelina diso ny valin-teninao.