Malagasy : Session 2013

  • Accueil
  • /
  • Sujets type
  • /
  • Malagasy : Session 2013

LAHATSORATRA

            Mahandro sy manadio trano, manasa lamba sy mipasoka no raharahako. Toy izany no karazana asa fahita eto Antananarivo ho an’ny zazavavy toa anay hoy ramatoa Ravelo (mpampiasa ahy). Mampaka-bary avy any ambanivohitra anefa ry zareo, koa mbola fanampin’asako ny totovary.
                 Manontany ny karamako ianao. Tsy noresahina tamiko na teo anatrehako io. Angamba fitonjato isam-bolana eo satria vao manomboka, toy izany koa mantsy no raisin-dry Soasy Avoko zokiko. Diso anefa ny hoe « raisiny ». Ry Soa sy Avoko no miasa sy mikarama, ry Dada kosa no miakatra isam-bolana handray ny karamany ary tsy maintsy toy izany koa no hataony amin’ny karamako. Noho izany, tsy nilaiko akory ny hahalala izay karamako hatramin’izao. Ianao manontany ahy no mahatonga ahy ho liana hahafantatra izay vidin-kasasarako ankehitriny.
              Koa hataoko izay hahalalana an’izany na ho avy amin’i Madama na ho avy amin’i Dada izay ho avy ato ho ato satria hifarana ny volana. Eny, na dia tsy handraisako variraiventy aza dia tsara ho fantatra ny sandan’asako izay tombanako ho avo dia avo raha ny habetsahan’ny asa sy ny zavatra tsy maintsy leferina no heverina, sao mantsy karazam-panandevozana izao mihatra amiko izao…
             Mbola tsy foana ny fanandevozana ! Hoy ny eritreritry Ramavo. Nahorony ny taratasin’i Niry na dia mbola tsy voavakiny hatrany amin’ny farany aza. Tapa-kevitra Ramavo hanampy ny zana-drahavaviny… Rafitra vaovao isian’ny fitovian-jo ho an’ny olona rehetra eo amin’ny firenena no mahamaika, raha tsy izany dia tsy hisy famonjena hoan’ny tsirairay, hoy indray ny eritreritr’i Ramavo. Izany no maraina vaovao andrasan’ny firenena.
                                                                                                                                  Esther RASOARIMALALA RANDRIAMAMONJY.
                                                                                                                                                            Ho avy ny maraina, tak. 115-117

FANONTANIANA

A. MIKASIKA NY LAHATSORATRA

1. Fahazoana ny lahatsoratra :
    1.1. Hevi-teny :
        a. Manomeza teny na andian-teny iray mitovy hevitra amin’ny teny misy tsipika eo ambaniny ao amin’ity fehezanteny ity : « Ry Soa sy Avoko no miasa sy mikarama».
        b. Manomeza teny na andian-teny iray mifanohi-kevitra amin’ny teny misy tsipika eo ambaniny ao amin’ity fehezanteny ity : «  Angamba fitonjato isam-bolana satria vao manomboka».

    1.2. Hevitra ao amin’ny lahatsoratra :
Nahoana no tsy nilain’i Niry ho fantatra akory ny karamany isam-bolana ?

1.3. Famintinana ny lahatsoratra :
Fintino amina fehezanteny efatra (04) manaraka ny drafitra ny hevi-dehibe raketin’ny lahatsoratra.

2. Fitsikerana ny lafin’ny fanehoan-kevitra :
    2.1. Ny mpanoratra sy ny sokajin-dahatsoratra :
        a. Ny mpanoratra sy ny asa-soratra :
Fenoy araka ny tokony ho izy ny fafana, miainga amin’ireto lohatenina asa soratra ireto :
Ho avy ny maraina. Ny zanako. Lavakombarika. Ny sodin’i Solofo.

CLARISSE RATSIFANDRIHAMANANA Esther RANDRIAMAMONJY

        b. Sokajin-dahatsoratra :
            – Lazao ny sokajy misy ity ampahan-dahatsoratra ity :
« Rafitra vaovao isian’ny fitovian-jo ho an’ny olona rehetra eo amin’ny firenena no mahamaika, raha tsy izany dia tsy hisy famonjena hoan’ny tsirairay, hoy indray ny eritreritr’i Ramavo. Izany no maraina vaovao andrasan’ny firenena ».
            – Manomeza porofo roa (02) manamarina ny valin-teninao.

    2.2. Fanehoana ny kanto :
        Inty misy fehezan-teny : « Ry Soa sy Avoko no miasa sy mikarama, ry Dada kosa no miakatra isam-bolana handray ny karamany ary tsy maintsy toy izany koa no hataony amin’ny karamako. »
        Inona amin’ireto sarin-teny ireto : fanoharana ; fehezan-kevitra mitovy rafitra ; tamberin-pototeny ; filazan-javatra manao an-tanan-tohatra no hita ao amin’io fehezanteny io ?

B. MIKASIKA NY RIBA :

1. Riba ao amin’ny lahatsoratra :
    1.1. Fisehon’ny riba :
        a. Araka ny hita ao amin’ny lahatsoratra, milazà fomba iray tsy mety amin’ny fitondran’ny ray aman-dreny ny zanaka.
        b. Lazao ireo karazam-panandevozana mihatra amin’ny mpiasa araka ny lahatsoratra. (Valiny roa).

    1.2. Hevitra fonosin’ny riba :
        a. Araka ny lahatsoratra, inona avy ireo toetra tsy mendrika asehon’ny mpampiasa ? (Valiny roa)
        b. Lazao ny hevitra fonosin’ity fehezanteny ity :
« Izany no maraina vaovao andrasan’ny firenena ». (Valiny roa).

    2. Riba ao amin’ny fandaharam-pianarana :
        2.1. Fisehon’ny riba :
         a. Ampifandraiso amin’ny alalan’ny tondro izay mifanandrify ao amin’ny tsanganana A sy ao amin’ny tsanganana B :

A- VOLA B- TOE-JAVATRA
Solon-drom-patsa

Fao drano-maso

Hasin-jaza

Solom-bodiakoho

Fahaterahana

Tonon-taona

Fahafatesana

famorana

            b. Alaharo araka ny fisehony ireto dingana lalovana ao amin’ny fiainana ireto :
Famadihana, mivoaka itany, fahafatesana, fanambadiana.

    2.2. Hevitra fonosin’ny riba :
        a. Lazao ny fiheveran’ny Malagasy ny zanaka. (Valiny roa)
        b. Inty misy ohabolana : « Asa vadi-drano, tsy vita raha tsy ifanakonana ». Lazao ny hevitra fonosin’io ohabolana io. (Valiny roa).

D. MIKASIKA NY FITSIPIKA :

1. Rafi-teny :
    1.1. Endri-teny :
        a. Tsimpony ny teny misy tovona amin’ity fehezan-teny ity :
« Nahorony ny taratasin’i Niry na dia mbola tsy voavakiny hatrany amin’ny farany aza ».
        b. Rasao ny teny misy tsipika eo ambaniny ary lazao ny anaran’ny hasin-teny tsirairay ao amin’ity fehezanteny ity :
« Tsy noresahina tamiko na teo anatrehako io ».

    1.2. Sokajin-teny :
Miainga amin’ity fehezanteny ity, fenoy ny banga ao amin’ny tsanganana.
« Tsy nilaiko akory ny hahalala izay vidin-kasasarako ankehitriny ».

TENY SOKAJIN-TENY
. . . . . . . . . . . . . . . . . Tambin-teny
Tsy . . . . . . . . . . . . . . . . .
. . . . . . . . . . . . . . . . . Matoanteny
-ko . . . . . . . . . . . . . . . . .

2. Fifehezan-teny :
    2.1. Anjara asa :
Omeo ny anjara asan’ny teny misy tsipika eo ambaniny ao amin’ireto fehezanteny ireto :
F1 : « Toy izany ihany no karazana asa fahita eto Antananarivo ».
F2 : « Mbola tsy foana ny fanandevozana ».

    2.2. Hevitra ara-drafitra sy fitodika :
        a. Hevitra ara-drafitra :
Omeo ny hevitra ara-drafitra ny teny misy tsipika eo ambaniny ary hamarino ny valin-teninao :
F1 : « Nahorony avokoa ny taratasin’i Niry ».
F2 : « Fitonjato isam-bolana ny karamako ».

        b. Fitodika :
Lazao ny fitodiky ny fehezanteny eo ambany ary hamarino ny valin-teninao.
« Na dia tsy handraisako variraiventy aza ny karamako ».

    2.3. Fifehezan-kevitra :
Avaho ny fehezan-kevitra ao amin’ity fehezanteny ity ary lazao ny fifandraisany :
Ho fantatra eo ihany ny marina amin’ny karamako raha tonga tsara amin’ny herinandro i Dada.

E. FAMORONAN-DAHATSORATRA

                                                               « Betsaka ny ankizy sy ny vanto-jaza miasa ankehitriny ».
Manomeza ohatra roa (02) mahatonga izany. Arafeto ao anaty fehezanteny dimy ambin’ny folo (15) manarika rafitra sy drafitra ary zohin-kevita mirindra tsy ahitana fahadisoan-tsipelina ny hevitrao mikasika izany.