LAHATSORATRA
Tsy ho tafita miihitsy ny tetika raha mbola misara-bazana isika Malagasy, hoy Randria. Misara-bazana noho ny fitiavana, misara-bazana noho ny antoko politika, misara-bazana noho ny antokom-pivavahana. Tsy vita tsy ifanakonana anefa ity raharaha ity na ny an’ny tena samy irery na ny an’ny tanindrazana iomonana. Be loatra no jamban’ny vola sy jamban’ny toerana mamirapiratra. Maro loatra ny sahirana amin’ny vary iray lovia ilaina anio sy rahampitso ka tsy mahatazan-davitra intsony.
Atombohy hatrany amin’ny ara-batana ny fampitovian-jo. Aravony ny toe-karena samy hanana ny tandrify azy ny olona tsirairay. Aravony koa ny fampianarana hahatratra ny sarambabem-bahoaka, hatrany amin’ny fampianarana fototra ka hatrany amin’ny fampianarana amony, hahazoan’ny olona tsirairay ny anjara masoandrony tsy misy mpanakontakona.
Azo tanterahina izany rehefa samy mahatakatra fa minakina amin’ny tsirairay ny hoavin’ny firenena. Raha izao mbola samy manao izay hamenoany ny kitapony izao no mitohy dia lavitra ny fivoarana.
Esther Rasoloarimalala RANDRIAMAMONJY,
Ho avy ny maraina, tak. 138-139
FANONTANIANA
A. MIKASIKA NY LAHATSORATRA
1. Fahazahoana ny lahatsoratra
1.1. Hevi-teny
a. Manomeza teny na andian-teny mitovy hevitra amin’ny teny misy tsipika eo ambaniny amin’ity fehezanteny ity :
« Lavitra ny fivoarana ».
b. Manomeza teny na andian-teny mifanohi-kevitra amin’ny teny misy tsipika eo ambaniny amin’ity fehezanteny ity :
« Misara-bazana noho ny fiaviana isika ».
1.2. Hevitra ao amin’ny lahatsoratra
Araka ny voalaza ao amin’ny lahatsoratra, mitanisà toe-javatra roa mahatonga antsika tsy ho tafita.
1.3. Famintinana ny lahatsoratra
Fintino amina fehezanteny tsy mihoatra ny efatra ny hevi-dehibe misongadina amin’ny lahatsoratra.
2. Fitsikerana ny lafiny fanehoan-kevitra
2.1. Ny mpanoratra sy ny sokajin-dahatsoratra
a. Ny mpanoratra sy ny asa soratra
Inona no asa nosahanan’i E.R.R. ankoatra ny maha-mpanakanto azy ?
b. Manomeza anarana mpandray anjara iray avy hita amin’ireto boky ireto :
– « Ho avy ny maraina »
– « Lavakombarika »
d. Sokajin-dahatsoratra
Lazao ny sokajin’ity sombin-dahatsoratra manaraka ity. Hamarino ny valin-teninao.
« Tsy ho tafita mihitsy …………………… ny an’ny tanindrazana iombonana ».
2.2. FANEHOANA NY KANTO
Inty misy fehezanteny :
« Be loatra no jamban’ny vola sy jamban’ny toerana mamirapiratra ».
Milazà sarin-teny hita amin’io fehezanteny io ary omeo ny teny na andian-teny manaporofo izany. (valiny roa)
B. MIKASIKA NY RIBA
1. Riba ao amin’ny lahatsoratra
1.2. Fisehoan’ny riba
a. Araka ny hita ao amin’ny lahatsoratra, milazà fihetsika roa takina mba hampivoatra ny firenena.
b. Araka ny lahatsoratra, tanisao ireo dingana lalovana mba hahazoan’ny tsirairay ny anjara masoandrony eo amin’ny sehatry ny fampianarana.
1.2. Hevitra fonosin‘ny riba
a. Milazà fahendrena roa (02) hita ao amin’ity fehezanteny ity :
« Tsy vita tsy ifanakonana anefa ity raharaha ity na ny an’ny tena samy irery na ny an’ny tanindrazana iombonana ».
b. Milazà soatoavina roa (02) tokony hohajaina nefa tsy hita taratra ato amin’ity fehezan-teny ity :
« Ny voky ihany no vokisana, ny sisa mandady vao homana ».
2. Riba ao amin’ny fandaharam-pianarana
2.1. Fisehoan’ny riba
a) Manomeza fitaovana na zavatra roa (02) fampiasa amin’ny famorana
b) Milazà anaram-bola roa (02) fanolotra amin’ny fahafatesana.
2.2. Hevitra fonosin’ny riba
a) Inona no hevitra fonosin’ireto fitaovana na zavatra telo ireto :
– Lamamena (fahafatesana)
– Akondro velon-dreny (famoràna)
– Trafon-kena (ala volon-jaza)
b) Tohizo ity oha-pitenenana ity : « Ny anambadian-…………….. »
D. MIKASIKA NY FITSIPIKA
1. Rafi-teny
1.1. Endri-teny
a) Mitadiava teny iray sady ahitana tsofoka no ahitana tsirin-teny sara-droa amin’ity fehezanteny ity :
« Tsy vita tsy ifanakonana anefa ity raharaha ity na ny an’ny tena samy irery na ny an’ny tanindrazana iombonana ».
b) Rasao ny teny misy tsipika eo ambaniny ao amin’ity fehezanteny ity ary omeo ny anaran’ny hasin-teny tsirairay :
« Samy manao izay hamenoany ny kitapony ny tsirairay ».
1.2. Sokajin-teny
Miainga amin’ity fehezanteny ity, fenoy ny banga ao amin’ny tsanganana tsirairay
« Tsy ho tafita mihitsy ny tetika raha mbola misara-bazana isika Malagasy ».
| TENY | SOKAJIN-TENY |
| Mbola | …………………………… |
| …………………………… | Mpampiankina |
| Isika | …………………………… |
| Vazana | …………………………… |
2. Fifehezan-teny
2.1. Anjara asa
Omeo ny anjara asan’ny teny na andian-teny misy tsipika eo ambaniny amin’ireto fehezanteny ireto :
F1 : « Mihodina an-toerana fotsiny isika amin’izao ».
F2 : « Ny voky ihany no vokisana ».
2.2. Hevitra ara-drafitra sy fitodika
a) Hevitra ara-drafitra
Lazao ny hevitra ara-drafitry ny teny misy tsipika eo ambaniny ary hamarino ny valin-teninao.
F1 : « Maro loatra ny sahirana amin’ny vary iray lovia ».
F2 : « Atomboka amin’ny ara-batana ny fampitovian-jo ».
b) Fitodika
Lazao ny fitodik’ity fehezanteny manaraka ity ary hamarino ny valin-teninao
« Azo tanterahina tokoa izany zavatra izany ».
2.3. Fehezan-kevitra
Ataovy ny fehezan-kevitra amin’ity fehezanteny ity ary lazao ny fifandraisany.
« Azo tanterahina izany rehefa maniaky daholo ny olona rehtra ».
E. FAMORONAN-DAHATSORATRA
Hoy ny lahatsoratra : « Maro loatra ny sahirana amin’ny vary iray lovia ilaina anio sy rahampitso ».
Inona no soso-kevitrao mba hisorohana ny fahasahiranana ?
Tohano amina ohatra mazava tsara izany, ao anaty fehezanteny dimy ambin’ny folo (15) manaraka rafitra sy drafitra ary misy zohin-kevitra mirindra tsy ahitana fahadisoan-tsipelina.