FAMARITANA
– Avy teny INC* hoe “bitan” toy ny Maley “bitang” ny hoe vintana izay midika hoe kintana.
– Hery mitoetra na napetraky ny Zanahary hifehy sy handrindra ny fiainan’izao rehetra izao.
RATREMA William : “Ny vitan’ny olona iray na ny mety ho fizotran’ny fiainany dia miankina amin’ny fipetraky ny kintana teny amin’ny lanitra tamin’ny andro nahaterahany”
TOETRA SY ENDRIKA ISEHOANY
Clarisse RATSIFANDRIHAMANANA “… Karazan-dalao ny fiainana : izay mino fa maty sy fadiranovana hatrany amboalohany no milaza fa ratsy vintana izy”
RANDRIAMBOLOLONA : “Samy manana ny vintany… ny olona tsirairay raha vao tonga eto an-tany ka misy ny mahery vintana na ratsy vintana… misy ny tsara vintana “
Adolphe RAAFITSALAMA : “Vintana ratsy no lazina fa arenina ho tsara na Alaina”
VOKATRY NY FINOANA AZY :
Clarisse RATSIFANDRIHAMANANA : “Mino ny fahamarinan’izany ny olona ka tsy miezaka intsony hanova volony efa misy”
Joseph RAKOTONIRAINY : Tamin’ny andron’ny tsy fahalalana, dia ninoana fa ny vintana sy ny anjara no mibaiko ny olona, fa ankehitriny kosa di any olona no tompon’ny vintana sy ny anjara”