Zava-nisy ara-tantara :
- Fihetsiketsehana nataon’ireo mpianatra hanoherana ny politikam-pampianarana
- Fitondrana miaramila taorian’ny fitondran’I Kolonely Richard RATSIMANDRAVA (Febroary 1975)
- 15 Jona 1975 : voafidin’ny fitondrana miaramila ho mpitondra ny firenena ny Capitaine de Frégate Didier RATSIRAKA
- May 1991 : fitakiana ny fanovana ny lalam-panorenana
- Nampiharina ny fanagasiana ny fampianarana (teny Malagasy no teny entim-mampianatra amin’ny kilasy ambany)
- Fanagasiana ny toe-karena (BTM, JIRAMA, SOLIMA…)
Zava-nisy teo amin’ny Literatiora :
– Fanagasiana no nisongadina
– Tara-kevitra :
- Fitsikerana ny fitondrana
- Fanentanana ny vahoaka hitolona
- Fitiavan-tanindrazana
- Fiainam-bahoaka
Ny mpanoratra sy ny asa-sorany :
Rado, Nalisoa RAVALITERA, Bernard RAVELOHARISON, ILAY, E.D.A…
Asa sorany :
- Tononkalo : Zo, Rado
- “Tapa-tohana”, Nalisoa RAVALITERA
- Tantara foronina : Mikatsaka fiadanana, ILAY
- Lahatsoratra foronina famotopotoran-kevitra : Fanagasiana E.D.A.