Vanim-potoana Sarintsarim-pahaleovantena (1960-1972)

  • Accueil
  • /
  • Fiches de révision
  • /
  • Vanim-potoana Sarintsarim-pahaleovantena (1960-1972)

Zava-nisy ara-tanatara :

  • 1960 : nahazo fahaleovan-tena i Madagasikara
  • AKFM sy PSD sisa no antoko tafajanona
  • Mbola tsy nahaleo tena teo amin’ny lafin’ny toe-karena i Madagasikara
  • Mbola tontolo tamin’ny fanjanahan-tany no hitan’ny Malagasy
  • Nampiharina ny politikan’ny kibo
  • Natsangana ny oniversité
  • Mbola notazomina ny fampianarana tamin’ny teny frantsay

Zava-nisy teo amin’ny literatiora :

– Fanoherana ny sarintsarim-pahaleovantena no nisongadina

– Tara-kevitra :

  • Fanoherana ny fanjanahan-tany amin’ny endriny vaovao
  • Fitaomana ny olona hiverina amin’ny maha-malagasy
  • Fampitandremana ny olona manoloana ny fandrosoana
  • Fikatsahana ny tanteraka sy ny tonga lafatra

Ny mpanoratra sy ny asa-sorany:

Randza ZANAMIHOATRA, Rado, E.D.A, Clarisse RATSIFANDRIHAMANANA, Jean NARIVONY, Nalisoa RAVALITERA…

Asa-sorany :

  • Tononkalo : « Am-pitoviana », Nalisoa RAVALITERA
  • Sombin-tantara : « Hangina aho ry neny », RAKOTONDRASANA
  • Tantara foronina : Ilay vohitry ny Nofy, E.D.A.