Zava-nisy ara-tantara :
- Mbola ny mpanjaka no nanjaka ;
- Fahatongavan’ireo misionera anglisy teto Madagasikara (nitory teny sy nampianatra ny Malagasy nanoratra) ;
- 1835 : Voadika tamin’ny teny Malagasy ny baiboly ;
- 1837 : Namonoana an-dRasalama martiora ;
- 1896 : Lasa zanatany Frantsay I Madagasikara.
Zava-nisy teo amin’ny literatiora :
– Teraka ny literatiora an-tsoratra ;
– Niompana tamin’ny literatiora kristianina ny literatiora ;
– Tara-kevitra :
- Fiankinana amin’ny Andriamanitra
- Zava-poana ny fiainana eto an-tany
- Fanantenana rehefa maty dia ho raisin’Andriamanitra amin’ny toerana feno fahasambarana
Mpanoratra sy ny asa sorany :
P RABARY, Josoa RAMANISA, RAJAONA, Rainisoa RATSIMANDISA…
Asa soratra :
- Tononkira maintimolaly, « aza malaky reraka », Josia Ramanisa ;
- Kaonseritra masina, ohatra : tantaran’i Davida ;
- Tononkalo, « ny violety », Jaona R. ;
- Sombin-tantara, « ifamoiza-malala ».