Zava-nisy teo amin’ny literatiora :
- 1942 : niforona ny antoko politika miafina (JINA sy ny PANAMA)
- 1945 : nitsangana ny firenena mikambana ONU
- Niforona ny antoko maro (MDRM, PADESM, AKFM, PSD)
- 1947 : nippoaka ny fikomiana tamin’ny toerana aro ho fanoherana ny fanjanahan-tany
- 23 Jona 1956 : nampiharina teto Madagasikara ny “lois cadre”
- 28 Septambra 1958 : fitsapa-kevi-bahoaka, nandresy ny ENY izay manaiky ny fahaleovantena ao anaty firaisam-be frantsay
- 14 Oktobra 1958 : nijoro ny repoblika I
- 26 Jona 1960 : nahazo fahaleovantena I Madagasikara
Zava-nisy teo amin’ny literatiora :
– Fitakiana ny fahafahana no nisongadina
– Tara-kevitra :
- Fanaratsiana ny fanjanahan-tany
- Fanentanana ny olona hiantso ho amin’ny fitiavan-tanindrazana
- Fanehoan’ny mpanoratra fa tsy azo sakanana ny fahaleovanten’I Madagasikara
- Fitakiana ny fahafahana
Mpanoratra sy ny asa sorany :
Mpanoratra hita teo aloha
Asa-sorany :
- Tononkalo : “Ombin-tsarety sy ny olona”, Josephine RANIRINA
- Sombin-tantara : “Razafimamy mianaka”, Clarisse RATSIFANDRIHAMANANA
- Tantara foronina : kilalaon’afo, Régis-REJEMISA RAOLISON
- Lahatsoratra famotopotoran-kevitra : « Saino malagasy ambin’olona”, ANDRIANTSILAVO