Vanim-potoana Fiforetana Anatiny (1922-1929)

  • Accueil
  • /
  • Fiches de révision
  • /
  • Vanim-potoana Fiforetana Anatiny (1922-1929)

Zava-nisy teo ara-tantara :

– Tafaverina an-tanindrazana ireo miaramila sisa tsy maty tamin’ny ady sy ireo mpikambana tao amin’ny V.V.S. natao sesin-tany ;

– Fandripahana ny Malagasy tamin’ny alalan’ireo aretina (gripa espaniola, peste noire) ;

– Nisy koa ny rivo-doza nanimba zavatra maro ;

– Noterena hamokatra ho an’ny Frantsa ny Malagasy, nalain’ny vazaha an-keriny ny tany mamokatra ;

– Nisy ny asa an-terivozona SMOTIG natao tamin’ireo lehilahy 15 taona ka hatramin’ny 60 taona.

Zava-nisy teo amin’ny literatiora :

– Literatiora manjombona feno alahelo no nisongadina, nahatsiaro ho diso fanantenana tamin’ny Frantsa ny Malagasy ;

– Tara-kevitra :

  • Fitiavana feno disadisa
  • Embona sy hanina
  • Fahakambotiana
  • Fahadisoam-panantenana
  • Fasana sy fahafatesana
  • Ny alina
  • Ny lasa

Mpanoratra sy ny asa sorany :

Nizara roan y mpanoratra : ireo mpanoratra natao sesin-tany sy ireo mpanoratra vao nisondrotra : J.J. RABEARIVELO, Samuel RATANY, RABEKOTO Joseph (Lys Ber), Jean NARIVONY…

Asa soratra :

  • Tononkalo, « Izay sambo izay », Ny Avana RAMANANTOANINA ;
  • Sombin-tantara, « Raivo mpanota », Harioley ;
  • Tantara an-tsehatra, « ranomody », Rodlishh ;
  • Lahatsoratra famotopotaran-kevitra.