Zava-nisy ara-tantara :
- 1896 : lasa zanatany Frantsay i Madagasikara ;
- Niankin-doha tamin’ny Frantsay i Madagasikara ;
- 1912 : nijoro ny fikambanana V.V.S. ;
- 1915 : sarona ilay fikambanana ka natao sesin-tany ireo mpikambana ;
- Teny frantsay no teny enti-mampianatra, nofoanana ny taranja Malagasy sy ny tantaram-pirenena Malagasy ;
- Nipoitra ny fironan-kevitra « libre pensée ».
Zava-nisy teo amin’ny literatiora :
– Literatiora fanka-tahaka sy ny literatiora kristianina no nisongadina ;
– Tara-kevitra :
- Fanindrahindrana ny siansa sy ny fandrosoana
- Ny fitiavana : teraka ao anatin’indray mipy maso ka miafara amin’ny fahafatesana
- Adin’ny mpino sy ny tsy mpino
- Fivavahana kristianina
Mpanoratra sy ny asa sorany :
Ny Avana RAMANANTOANINA, Edouard ANDRIANJAFITRIMO, RAVELOJAONA, Jasmina RATSIMISETA, Justin RAINIZANABOLOLONA…
Asa soratra :
- Tononkalo, « lamaodin’Iarivo », Radium Rhosalis
- Tantara an-tsehatra, « Zéphine sy Armanda », RAJAONAH Tselatra
- Sombin-tantara, « Raketaka zandriko », P. RABARY.