Tendry

  • Accueil
  • /
  • Fiches de révision
  • /
  • Tendry

FAMARITANA :

– Baiko na diidy manondro olona hanatanteraka asa, na manondro andraikitra ho raisina na manondro toerana haleha

– Ny fomba na ny toe-javatra na endrika manokana andraisan’ny tsirairay avy ny tandrify azy amin’ny lahatra misy azy.

RANDRIAMAROLAZA : “Ny tendry dia endrika isehoan’ny lahatra iany

– Misy tendrin-Janahary

Régis RAJEMISA RAOLISON : Ara-pinoana ny tendry dia fanondroana avy amin’ny Andriamanitra mahatonga ny olombelona hiharan’izao sy izao

– Misy tendrin’olona. Ohatra : tendrena hamafa solaitra be ny mpianatra.

 

TOETRA SY ENDRIKA ISEHOANY :

  • Mety ho tsara 

Nalisoa RAVALITERA : “Matoa voantendry izy dia efa voalahatra mifanaraka amin’ny vintana ny fanendrena azy, tsy mety ho lasan’ny olon-kafa ny anjarany na dia ao aantin’ny vahoaka maro aza izy”.

  • Mety ho ratsy ( fahafatesana, loza, …)

Nalisoa RAVALITERA : “Inoana ny tendrin-Janahary no manivana an’ireny voina mahazo ny olona maro ireny ka nahavoaavotra na nahafaty olom-bitsy tao anatin’ny maro.”

  • Tsy azo   ialana na andosirana

 

VOKATRY NY FINOANA AZY :

  • Fahaiza-mionona am zavatra mitranga ka tsy miezaka hioitra intsony

LP RANDRIAMAROLAZA : “Tsy misy na inona na inona azony atao ankoatra ny fandraisana sy ny fanekeny….”

  • Fiezahana manoloana ny zava misy.