Samuel RATANY (1901 -1926)

  • Accueil
  • /
  • Fiches de révision
  • /
  • Samuel RATANY (1901 -1926)

MOMBA AZY :

Teraka tamin’ny 16 Jolay 1901

Nanambady an-dRasoazananohatra ; Mahay zava maneno ; Voateza tamin’ny finoana kristianina

Fianarany : Nianatra tao amin’ny Paul Minault Ambohijatovo

Asany : Mpitana bokim-bola tao amin’ny tranombarotra “Vassilou‘’

Maty tamin’ny 10 Oktobra 1926

 

MAHA MPANORATRA AZY :

Vao 15 taona dia efa nanoratra ary tena sarotiny tamin’ny teny Malagasy, iverenany in-3 na in-4 ny fandrafetana asa soratra avoakany. Nifanerasera tamin’ny mpanoratra mitovitovy amin’ny indrindra fa I JJ RABEARIVELO

Tononkalo nosoratany : “Embona”, “Elogie de minuit’’, « Mba rotsirotsio », « tafaverina », « Irery teo akaiky ny fasana”

Sombin-tantara nosoratany : “Vita ho azy” ; “Imbalanony”

Sombin’eritreritra : “Vovoka”

 

TARA-KEVITRA NOHADIHADIANY : Ny sorisorin-tsaina, ny alahelo, ny fikaloana ny zava-boary, ny fahafatesana sy ny fasana, embona sy hanina.

 

GAZETY SY REVIO NANORATANY :

Tanamasoandro, Akon’Iarivo, Journal de Madagascar, Ny mpandika, Fandrosoam-baovao, Tsara hafatra, Sakaizan’I Tanora