Ny Tsiny sy ny Tody

  • Accueil
  • /
  • Fiches de révision
  • /
  • Ny Tsiny sy ny Tody

NY TSINY SY NY TODY

 

TSINY TODY
 

Famaritana

-Fanamelohana ataon’ny mpiara-belona nohon’ny fahadisoana natao na tsinahy

-Fahavoazana rehetra mitranga eo amin’ny olona

-Fiverenan ‘izay natao rehetra na ratsy na soa

-Valin’ny natao, mifototra amin’ny tena

 

Endrika isehoany

-Ratsy mandrakariva : fahavoazana, aretina, tsy fahombiazana, fahantrana, fahafatesana -Mety ho tsara, mety ho ratsy

-Raha tsara any natao, toin’ny valisoa

-Raha ratsy ny natao, toin’ny sazy

 

Toetrany

-Azo sorohina amin’ny teny, tso-drano, fanaovana asa soa

-Mahavoa na tsy sitrapo aza, mampitondra takaitra, faisana, tsy fantam-piaviana

-Tsy azo ialana na idifiana

– Tsy afakin’ny teny fialan-tsiny na fanamarinantena

-Tsy maintsy mivaly na ho ela na ho haingana

 

 

Ny maha zava-dehibe azy

-Mety mahavoa ny rehetra tsy ankanavaka

-Mety hazahoana tsiny izay tsy mety natao

: teny , fihetsika, adidy sy andraikitra  tsy vita

-Mivaly arak’izay natao: mitovy karazany ny natao sy ny valiny

-Na ny fihetsika madinika dia misy tody

-Tsy misy afa-maina amin’izay atao rehetra

-Atahorana  ary mijanona ho arofanina ny finoana azy

 

 

 

 

 

 

 

 

Ohabolana sy tenin’ny mpanoratra

« Ny tsiny fanalan’ny vava .»

« Ny tso-drano odin’ny tsiny. »

“Ny tsiny toy ny ranom-panala, an-koditra vao mahangoly.”

 “Na zovy na zovy diso tamin’ny namany, na tandriny na tsy tandriny dia voatsiny.” RAHAJARIZAFY, Filozôfia Malagasy, tak 70.

Ny tsiny tsy mifidy ambony sy ambany fa tahaka ny fahafatesana ka izay mirengirengy no lavony, izay mioty manta no leony.”

“Ny tsiny toy ny saonjom-bazaha, raha lolohavina maha sola loha, raha babena mahafola-damosina, raha trotrona maha vaky tratra, raha vimbinina mampiepa-tanana, raha sakelehina maha ketrak’ila”.

“Ny tody tsy misy, fa ny atao no miverina.”

Mandrora miatsilany ka mahavoa ny tena.

“Mpanosavy milevina amoron-dalana ka mahatantesa valin-kitsaka.”

Ny soa atao levenam-bola fa ny ratsy atao loza mihantona.”

“Raha todi-paty aza manody, raha todim-pitia manodiava.”

Ny tody toy ny salaka, ny soa atao mihodidina, ratsy atao mihodidina.

“Tsy ho raraka antan’ny akory ny soa atao ary tsy ho afa-maina ny mpanao ratsy fa tsy maintsy hitodian’ny nataony ihany.” Adolphe RAZAFITSALAMA, ny finoana sy ny fomba, tak 58.

Na dia tsy misy aza ny tsiny sy ny tody dia tsy maintsy noforonina izy, satria tsy misy firenena afaka hivelona ampilaminana, tsy manan-javatra hajaina sy atahorana.” E.D. ANDRIAMALALA, fanagasiana, tak49.