Ny Literatiora Ankehitriny

  • Accueil
  • /
  • Fiches de révision
  • /
  • Ny Literatiora Ankehitriny

Fironan-tsaina

  • Vanim-potoana fitakiana ny fanarenana.
  • Fanavakavaham-bolikoditra, ady an-trano.
  • Sarintsary fahaleovan-tena.
  • Fifajanahan’ny samy malagasy.
  • Fitsikerana ny fitondrana nohon’ny fikatsoan’ny firenena.

Zava-misy sy ny literatiora

– 1960: fazahoana ny fahaleovan-tena.
– Hirahiram-pahafahana nanomboka tamin’ny mpanoratra hatramin’ny tamboho.
– 1966 (PSD): Toe-draharaha politika miha mafana eto amin’ny firenena.
– 1972 : Nipoaka ny tolona, fipoiran’ireo mpanoratra (NARISOA, Di Fananolahy, FY NANA …) , mpihira mpitsikera fitondrana (MAHALEO, SARERARAKA, Lôlô, Rôsy…).
– 1990 : Toe-draharahara politika tsy hita hianteherana, fipoiran’ireo mpanao tononkira fiderana an’Andriamanitra.
– Ankehitriny :

  • Firoboroboan’ireo mpihira mitsikera zava-misy sy fitondrana (vazo-miteny : Gangstabab, Bôlô, Slam : Poety Rebely…).
  • Fitomboan’ny mpanankanto malagasy : indrindra ny mpihira.
  • Firoboroboan’ireo mpanao tononkalo malagasy  indrindra anatin’ny tambazotra sosialy facebook : Rima Malagasy, Dada Rabe….