Ny Fanadihadiana Lahatsoratra

  • Accueil
  • /
  • Fiches de révision
  • /
  • Ny Fanadihadiana Lahatsoratra

NY FANADIHADIANA  LAHATSORATRA

I.Famaritana

Famoronan-dahatsoratra miainga avy amin’ny lahatsoratra iray hafa:

  • Tononkalo, tononkira, sombin-dahatsoratra avy amin’ny sombintantara, tantara foronina, tantara fihaina, tantara natsangana.
  • Sombin-dahateny avy tamin’ny angano, kabary, lahabolana samihafa.

II.Fipetrakin’ny ny fanontaniana

Hadihadio io lahatsoratra io : fanazavana ireo hevi-dehibe raiketiny sy fanohanana izany amin’ny alalan’ny lahatsoratra ihany.

III.Drafitra

1)Teny fanolorana

-Filazana toe-javatra manodidina ny foto-dresakin’ny lahatsoratra.

-Fanolorana ny kara-panondron’ny lahatsoratra : lohateny, mpanoratra,daty nanoratana raha misy.

-Fametrahana ny drafitra.

2)Votoatiny

-Fanazavana ireo hevi-dehibe  naroso ao amin’ny drafitra.

-Zaraina ho zana-kevitra ireo hevi-dehibe ka hazavaiana sy tohanana amin’ny alalan’ny porofo avy ao anatin’ny lahatsoratra . Atao anatin’ny faraingo sosona « … » ny porofo.

3)Teny famaranana

-Famintinana ireo fanazavana tao amin’ny votoatiny.

-Fanitarana ny firehan-kevitra ho amin’ny fiainana andavan’andro : miendrika fitsikerana.

IV.Fanamarihana

  • Tsy azo ivalam-parana, tsy azo asina ohatra ny teny fampidirana sy famaranana.
  • Tsy asiana teny fanolorana ny porofo fa avy hatrany atao anatin’ny “…”.
  • Tsy azo atao ny fampiasana ny teboka teboka ao amin’ny porofo : “Ny…..”.
  • Azo atao amin’ny endrim-panontaniana na filazana tsotra ny drafitra (fampidirana), ny fanitaran-kevitra ao amin’ny teny famaranana.
  • Miova andalana rehefa miova zana-kevitra, mandingana an-dalana telo isakin’ny hiova rafitra ary andalana roa isakin’ny hevi-dehibe.
  • Sarahina amin’ny alalan’ny fehezan-teny tetezamita ireo hevi-dehibe.