Ny Famakafakan-kevitra

  • Accueil
  • /
  • Fiches de révision
  • /
  • Ny Famakafakan-kevitra

NY FAMAKAFAKAN-KEVITRA

  1. Famaritana

– Famoronan-dahatsoratra miainga avy amin’ny loha-hevitra iray :

  • Teny manan-danja, fomba fiteny na andianteny.
  • Tenin’ny mpanoratra sy mpandinika, na andinin-tononkalo.
  1. Fipetraky ny fanontaniana
  • Fakafakao izany : fanazavana ny loha-hevitra sy fanohanana amin’ny ohatra.
  • Fakafakao sy tsikerao na tsikerao izany : raha miampy tsikerao, miampy fitsikerana, fanohanana amin’ny alalan’ny ohatra . Ny fitsikerena mety ho :

Fanehoan-kevitra : fanazavana, fanoheran-kevitra, marimaritra iraisana.

Fanomezana soso-kevitra : fanazavana, soso-kevitra.

  1. Rafitra

a)Teny fampidirana (fisarihana ny mpamaky)

Filazana toe-javatra manodidina ilay loha-hevitra niaingana

-Fametrahana an’ilay loha-hevitra

-Fametrahana ny drafitra

b)Votoatiny

Fanazavana ireo hevi-dehibe naroson’ny drafitra

-Zaraina zana-kevitra ireo hevi-dehibe ary hazavaina sy tohanana amin’ny ohatra

*Raha tenin’ny mpandinika na ohabohalana no anehoan-kevitra : atao anatin’ny faraingo sosona na «…»

*Raha andinin-tononkalo:  hajaina ny endrika nanehoan’ny mpanoratra azy

c)Teny famaranana

-Fampatsiahivana sy famintinana ny zava-boalaza tao amin’ny votoatiny

-Fanitarana  an’ilay loha-hevitra  ho amin’ny fiainana andavan’andro (endrim-panontaniana ohatra).

d)Fanamarihana

  • Tsy azo ivalam-parana, tsy azo asina ohatra ny teny fampidirana sy famaranana ;
  • Ialana ny teny fitaomana ao amin’ny fampidirana ;
  • Azo atao amin’ny endrim-panontaniana na filazana tsotra ny drafitra (fampidirana), ny fanitaran-kevitra ao amin’ny teny famaranana.
  • Miova andalana rehefa miova zana-kevitra, mandingana an-dalana telo isakin’ny hiova rafitra ary andalana roa isakin’ny hevi-dehibe.
  • Sarahina amin’ny alalan’ny fehezan-teny tetezamita ireo hevi-dehibe.